Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Tenin’ny Fahendrena
Nanao fivoriana i Joseph Smith mba hampianarana ny olona momba ny filazantsara. Matetika ireo lehilahy no mifoka sigara sy mihinana paraky.
Nampanahy an’i Emma Smith izany. Mampisy korontana sy fako be ny setroka sy ny paraky, ary nisy zavatra tsy nilamina momba izany. Nanontany tena i Emma sy i Joseph ny amin’izay mety ho tsapan’ Andriamanitra momba izany.
Nivavaka i Joseph, dia namaly ny Tompo. Nampitandrina ny mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo ny amin’ny sigara sy ny paraky. Nilaza Izy fa tsy tsara ho an’ny vatantsika izany. Nampitandrina azy ireo ihany koa Izy ny amin’ny fisotroana dite na kafe na toaka.
Nilaza Andriamanitra ny hihinanana voankazo, sy legioma ary sakafo hafa mahasalama. Antsointsika hoe ny Tenin’ny Fahendrena ireo fampianarana ireo.
Afaka miaina ny Tenin’ny Fahendrena aho. Hitahy ahy ny Ray any An-danitra rehefa mikarakara ny vatako aho. ●