2021
Arovy ny tenanao
Jolay/Aogositra 2021


Arovy ny tenanao

a boy standing in front of road signs

Tokony horaisinao amin-katsaram-panahy sy amim-panajana ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Tokony hantenainao hitondra anao toy izany ihany koa ny hafa. Raha misy olona manandrana mandratra anao amin’ny teny na zavatra atao dia TSY METY izany!

Raha mahatsiaro ho tsy azo antoka ny aminao dia …

  1. Milazà tsia.Tsy voatery hanao zavatra izay toa tsy mety na mahatonga anao tsy mahazo aina ianao. Tsy maninona ny miteny hoe tsia.

  2. Henoy ny fahatsapana anananao. Manome antsika fampitandremana mangina ny Fanahy Masina mba hanampiana antsika hijanona amin’ny toerana azo antoka sy voaro. Raha toa ianao ka mahatsapa fa misy zavatra tsy mety, dia aza mandray anjara, ary miezaha miala raha azo atao.

  3. Aza mihazona tsiambaratelo mandratra. Misy maha-samy hafa azy ny zavatra tsy nampoizina mahafaly sy ny tsiambaratelo mandratra. Tsy tokony hihazona tsiambaratelo mandratra ianao, na dia efa nampanantena izany aza ianao.

  4. Milazà amin’ny olon-dehibe fantatrao. Raha misy zavatra ratsy mitranga na mampatahotra anao, dia lazao aman’olona izay afaka manampy anao avy hatrany, toy ny ray aman-dreny, na mpampianatra, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Iza no azonao iresahana rehefa misy olana? Manorata lisitra ana olona azo atokisana eto:

Sary nataon’i Jennifer Bricking