Manampy toa an’i Jesoa
Nizara tamin’ny hafa i Jesoa
Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ ny maty, dia nahita ireo mpianany nanarato trondro tao anaty sambo iray Izy. Tsy nahazo trondro mihitsy izy ireo. Nolazain’i Jesoa izy ireo mba handatsaka ny haratony amin’ny lafiny ilany amin’ny sambo. Nahazo trondro maro dia maro izy ireo ka navesatra loatra ny haratony! Dia nanatona an’i Jesoa teny amin’ny tany ireo mpianatra. Niara-nipetraka taminy teo amorona afo izy ireo. Niara-nihinana mofo sy trondro tamin’izy ireo i Jesoa. Nanontany an’i Petera Izy hoe: “Moa tia Ahy va hianao?” Dia hoy Izy avy eo hoe: “Fahano ary ny ondriko.” Midika izany fa tiany hizara ny filazantsara amin’ny hafa i Petera. Afaka mampiseho fitiavana an’i Jesoa isika amin’ny fizarana amin’ny hafa, tahaka ny nataony.
Nanampy nanamboatra biscuits ho an’ny mpiray vodirindrina aminay aho. Tsy miteny afa-tsy amin’ny fiteny arabo ilay vehivavy, saingy nanasa anay hiditra tao aminy izy. Lasa niara-nipetrapetraka teo izahay ary nifankahafantatra na dia tsy mitovy fiteny aza. Tena tsara fanahy izy, ary nahatonga ahy hanana fahatsapana tsara tato anatiko izany.
Grayson C., 5 taona, Abou Dabi, Émirats arabes unis