Kilalao drafitry ny famonjena
Lalaovy ity kilalao ity hianarana momba ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mampiasà tsaramaso na vola vy hatao vaton-dalao. Isaky ny anjaran’ny tsirairay dia manipaza kodiakely na misafidiana isa iray dia akisano araka izay isa azo ny vatonao. Rehefa misy olona voalohany mandalo kintana iray dia vakio ny ao amin’ilay bola. Rehefa misy olona hafa indray mandalo amin’izany kintana izany dia ataovy ilay asa atao.
-
Fiainana talohan’ny nahaterahana: Niaina niaraka tamin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra isika. Nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ho tonga ety an-tany isika.
Hirao ny “Taloha aho dia niaina tany an-danitra tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 140).
-
Tany: Tonga teto an-tany isika mba hahazo vatana sy hianatra ary hivoatra. Afaka misafidy ny tsara na ny ratsy isika.
Vakio ny Almà 34:32.
-
Sorompanavotan’ i Kristy: Tonga teto an-tany i Jesoa Kristy ary niaina fiainana tonga lafatra. Fantany ny fanaintainantsika. Nanonitra ny fahotantsika Izy mba hahafahantsika mibebaka.
Hirao ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20).
-
Tontolon’ny fanahy: Aorian’ny fahafatesantsika dia mbola miaina hatrany ny fanahintsika. Ireo olona izay tsy nahalala ny filazantsara teto an-tany dia afaka mianatra momba izany rehefa any.
Vakio ny Almà 40:11.
-
Fitsanganana amin’ny maty: Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, dia hitsangan-ko velona avokoa isika rehetra! Hitambatra indray ny vatantsika sy ny fanahintsika.
Hirao ny “Moa ve Jesoa nitsangana?” (Bokin-kiran’ny ankizy, 45).
-
Fanjakana selestialy: Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho lasa tahaka ny Raintsika any An-danitra isika ary hiaraka hiaina amin’ny fianakaviantsika mandrakizay.