Asehoy sy lazao
Nanontany ny reniko aho raha afaka mitondra ny scooter-ko. Nilaza izy fa manodidina ny trano ihany aho no mahazo mitondra izany. Nandeha lavidavitra kokoa aho ka very. Natahotra aho dia nivavaka. Taorian’izay dia nahafantatra toerana vitsivitsy ary nahafantatra fa akaikin’ny tranonay. Feno fankasitrahana aho fa nanampy ahy any Ray any An-danitra.
Jack S., 9 taona, Mazovie, Pologne
Nisafidy ny hatao batisa aho ary faly aho fa nataoko izany. Zava-dehibe ny manao safidy tsara.
Alicia P., 9 taona, Mazovie, Pologne
Fantatro fa nifidy ny tsara sy nanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy aho tamin’ny natao batisa. Nahatsapa fifaliana sy hafanana aho taorian’izay. Tiako ny Mpamonjy ahy.
Zion M., 9 taona, Waikato, Nouvelle-Zélande
Manompo lehilahy iray jamba ny dadako. Naniry ny hanao zavatra ho azy aho. Nanampy ahy hanamboatra hafatra manokana amin’ny baoritra ny dadako mba hahafahan’ilay lehilahy manaraka izany amin’ny ratsan-tanany. Mivaky toy izao izany: “Tia anao i Jesoa.” Niaraka tamin’ny dadako aho nanome izany azy. Gaga ilay lehilahy ary faly rehefa nahatsapa ireo litera.
Amber F., 6 taona, Utah, Etazonia
Nahatsapa toa an’i Nefia izahay rehefa nanamboatra ny zanatsipikanay.
Neil sy Aaron H., 8 sy 10 taona, Alaska, Etazonia
Nanao fampianaran-davitra ny sekoliko nandritra ny fotoana kely noho ny COVID-19. Nanamboatra maodelin’ny tempolin’ny Nefita aho teo anelanelan’ireo kilasy.
Samuel J., 9 taona, Ohio, Etazonia
Tianay ny Mpamonjy anay ary tsaroanay lalandava Izy.
Vianca sy Avril V., 10 sy 6 taona, Cundinamarca, Colombie
Meredith B., 7 taona, Caroline du Nord, Etazonia
“Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy,” Clara B., 11 taona, Minnesota, Etazonia
“Ny fiaviana fanindroany,” Santiago C., 11 taona, Santiago, Chili
Emerson G., 8 taona, Washington, Etazonia