2021
Krismasy any Mali
Nôvambra/Desambra 2021


Krismasy any Mali

Monina any Texas Etazonia ny mpanoratra.

Tsy andrin’i Judith ny hankalaza ny fahaterahan’i Jesoa miaraka amin’ny sampana misy azy.

“Nahare anjely tany ambony tany izahay nihoby tamim-pifaliana eraky ny lemaka” (Cantiques, no. 125).

Sary
Church members in Mali singing together

Krismasy ny andro. Nihirahira moramora i Judith teo am-pidirana ny trano fiangonana. Hamonjy ny fankalazana ny Krismasy nokarakarain’ny sampana misy azy ireo izy sy ny mpiray tampo aminy.

Nitsiky i Esther rahavaviny. “-Les anges dans nos campagnes- ve izany?”

“Eny! Ilay tiako indrindra. Enga anie hihira an’izany isika androany.” Nitsikitsiky i Judith.

“Tiako io hira io!” Hoy ihany koa i Désiré anadahiny. Nihira mafy hoe, “Gl-o-o-o-ria” izy!

Nihomehy avokoa ny rehetra. Tsy andrin’i Judith ny hankalaza ny fahaterahan’i Jesoa miaraka amin’ny sampana misy azy. Tsy dia mankalaza firy ny Krismasy ny olona ao Mali. Any amin’io faritra ao Afrika io dia tsy mahafantatra firy momba an’i Jesoa ny ankamaroan’ny olona. Amin’izy ireo dia andro toy ny mahazatra ihany ny Krismasy.

Hipoka olona ny arabe. Mivarotra voatavo maitso tanora ireo mpivarotra. Miloloha siny feno rano ireo tanora sy ny nahazoazo taona. Mitari-dalana boriky mitarika sarety ny ankizilahy iray. Mijery ilay tilikambo avo sy terin’ilay moskea i Judith. Izany dia trano tsara tarehy ivavahan’ny maro amin’ireo Silamo mpiray monina amin’izy ireo.

Sary
two sisters and brother walking through street in Mali

Taloha i Judith sy Esther ary Désiré dia namonjy ny fiangonan’i Papa. Saingy tamin’ny fahavaratra farany teo dia lasa mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Izao izy telo mianadahy mandeha tongotra miaraka isan-kerinandro mankany am-piangonana. Tia mianatra momba an’i Jesoa ao amin’ny Kilonga i Judith.

Tonga any amin’ilay fety ihany izy ireo nony farany. Ny ankabeazan’ny olona ao amin’ny sampany dia efa tao. Ny fitaovana fandefasana horonan-tsary iray dia mampiseho horonan-tsarin’ny Krismasy eo amin’ny rindrin’ny trano fivavahana. Mijery an’i Josefa mitondra an’i Maria ao Betlehema eo ambony boriky i Judith. Mampahatsiahy azy ny arabe feno vovoka sy be tabataba ao Mali izany!

Rehefa tapitra ilay horonan-tsary dia nisy fiarakaretsaka nijanona tao am-piangonana. I Rahavavy Valerie filohan’ny Fikambanana Ifanampiana no nivoaka avy tamin’izany.

“Mitondra sakafo aho!” hoy izy.

Nanampy nitondra ireo sakafo teo amin’ny lavarangana ny rehetra. Sakafo be ilay izy! Salade de macédoine, karoty, tsaramaso maitso, riz cantonnais, akoho natòno … mafilotra avokoa!

“Misaotra betsaka Rahavavy Valerie!” Hoy i Judith.

Avy eo ny ankizy kely rehetra samy nahazo baolina, saribakoly, na fiara kilalao daholo. Tsy ampy ireo fanomezana ka tsy nahazo ny anjarany i Judith saingy tsy nampaninona azy izany. Tiany ny mahita ireo ankizy kely mitsikitsiky.

Sary
Church members in Mali eating dinner together

Nifarana tamin’ny fihirana ilay fety. Nitsiky i Judith rehefa nihira ny “Les anges dans nos campagnes” izy ireo.

Niara-nihira ny sampana manontolo. Kanto ery izany. Tena teraka tokoa i Jesoa taona maro lasa izay! Feno fankasitrahana i Judith fa mahafantatra momba Azy izy sy Désiré ary Esther. Ary faly be izy nankalaza ny fahaterahany.

Sary
three siblings standing together in beautiful patterned clothes

I Esther, Judith, ary De̍sire̍ eo anoloan’ny trano fiangonan’izy ireo.

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Steph Marshall

Hamoaka printy