2021
Fantaro i Magali avy any Orogoay
Nôvambra/Desambra 2021


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Magali avy any Orogoay

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
picture of Magali

Ny mombamomba an’i Magali rehetra

Sary
pictures of Magali’s favorite things

Taona: 11

Avy any: Orogoay

Fiteny: Espaniôla

Fianakaviana: Papa, Mama, anadahy iray, rahavavy roa, ary i Bebe

Tanjona sy nofinofy: 1) Hitory ny filazantsara. 2) Hiasa ho an’ny UNICEF hanampiana ankizy manerana izao tontolo izao.

Ireo asa fanomezan-tananana ataon’i Magali

Sary
Magali helping feed cows on farm

Manampy ny ray aman-dreniny ao amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’izy ireo i Magali. Manangona ny atodin’akoho hohanin’ny fianakaviany izy. Manome ronono ho an’ny zanak’omby sy rano ho an’ny bitro izy. Ny fanampiana ny fianakaviany dia nampianatra azy fa tena zava-dehibe ny asa fanompoana. Hoy i Magali hoe, “Tokony hanompo ny manodidina antsika foana isika.”

Ny fomba iray hafa hanompoan’i Magali dia ny fanampiany ny bebeny hamaky soratra masina, indrindra indrindra ny Bokin’i Môrmôna. Faly be izy manara-dia an’i Jesoa amin’ny fanampiana ny hafa.

Ireo zavatra tian’i Magali indrindra

Toerana: Ny tempolin’i Montevideo Orogoay

Tantara momba an’i Jesoa: Rehefa nanasitrana ilay vehivavy nikasika ny akanjony i Jesoa

Hira ao amin’ny Kilonga: “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53)

Sakafo: Izay sakafo rehetra karakarain’ny reniny

Loko: Mavokely

Taranja any an-tsekoly Matematika

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Tammie Lyon

Hamoaka printy