2021
Ndeha asaina ny rehetra
Nôvambra/Desambra 2021


Ndeha asaina ny rehetra

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Naniry ny hanatrehan’ny fianakaviany manontolo ny fotoam-batisany i Jarom.

“Te hiaraka amin’izy ireo aho rahatrizay, ka ny Tompo no hampianatra ahy handova ny mandrakizay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 98).

Sary
Maori family sitting outside a small building called a marae

Nipetraka teo amin’ny bozaka teo anoloan’ny marae an’ny bebeny i Jarom. Efa hanomboka tsy ho ela ny fetim-pianakaviana!

Nijery ny zavatra natao sokitra miloko mena teo amin’ny sisin’ilay trano izy. “Mama ô, ahoana no filazana ny anaran’i Bebe amin’ny fiteny tanana?” hoy izy nanontany. Narenina ny reniben’i Jarom. Indraindray izy ireo manao fanazaran-tena hiteny amin’ny fiteny tanana hahatsiarovana azy.

“Toy izao,” hoy i Mama. Nataony tsimoramora tamin’ny tanany ilay anarana. Nataon’i Jarom tamin’ny tanany ihany koa izany. Tiany ny mianatra momba ny fianakaviany.

“Te hanandrana aho!” Nipetraka teo akaikin’izy ireo i Kati zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniny. Namerina ilay anarana tamin’ny tanany indray i Mama.

“Amin’ny volana ambony rehefa hatao batisa aho, dia afaka mihira hira amin’ny fiteny tanana ve isika?” Hoy i Jarom nanontany.

“Mazava ho azy,” hoy Mama.

“Inona izany hoe batisa izany?” Hoy i Kali nanontany.

Ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny fianakavian’i Jarom dia tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. “Ny fanaovana batisa dia zavatra miavaka ao amin’ny fiangonako,” hoy i Jarom. “Izany dia fotoana hanaovana fampanantenana hanara-dia an’i Jesoa, ary mampanantena ny hanampy anao Izy.”

“Tsara be izany,” hoy i Kati.

“Tianao ve ny hiaraka aminay amin’ny batisako?” Hoy i Jarom nanontany.

“Mazava ho azy!” Nitsikitsiky i Kati. Dia nitodika tany amin-dreniny i Jarom.

“Afaka manasa ny zanaky ny mpiray tampo aminareo rehetra hafa mba ho avy koa ve isika? Ary ireo dadatoako sy nenitoako?”

Nanetsika ny lohany i Mama. “Hevitra tsara be izany.”

Nanasa ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniny ho avy hanatrika ny batisany i Jarom sy ny mamany. Tsy nahalala firy momba ny batisa ihany koa ireo dadatoa sy nenitoa. Saingy fantatr’izy ireo anefa fa andro manokana ho an’i Jarom izany. “Ho avy izahay!” hoy izy ireo.

Nandeha ireo herinandro. Tonga ihany nony andron’ny batisan’i Jaroma ny farany! Rehefa niditra ny trano fivavahana i Jarom dia nitsikitsiky be. Feno ny havany avokoa ny laharan-tseza rehetra!

Sary
family standing with boy dressed in white for baptism

Ho fanombohana dia nanao lahateny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina ny dadan’i Jarom. Niresaka mikasika ny lanjan’ny fianakaviana ihany koa izy. “Faly be izahay fa atao batisa anio i Jarom. Ary faly be izahay fa miaraka aminay etoana ny fianakaviana!” hoy izy. “Inona no zava-dehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao?” hoy izy nanontany. “Ny olona, ny olona, ny olona.”

Nitsiky daholo ny olona. Ohabolana Māori tian’ny rehetra izany.

Rehefa nahavita ny lahateniny i Dada dia anjaran’i Jarom sy Mama indray. Nihira hiran’ny Kilonga tamin’ny fiteny tanana izy mianaka. Nampanakaiky an’i Jarom tamin’ny bebeny izany.

Dia nandroso tao amin’ny dobo fanaovana batisa i Jarom sy Dada. Raha nijoro tao anaty rano i Jarom dia nijery ny fianakaviany manontolo. Zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreny, nenitoa, dadatoa. Tao daholo izy rehetra!

Nakipin’i Jarom ny masony. Nisy fahatsapana mafana sy tony tao aminy. Tsapany ho toy ny hoe misy mamihina mafy izy. Nieritreritra ny bebeny izy. Nieritreritra ny razambeny izy. Fantany fa faly aminy izy ireo.

Nisolo akanjo maina i Jarom. Dia nofihininy tsirairay ny fianakaviany. Feno fankasitrahana ny amin’ny tsirairay amin’izy ireo izy. Feno fankasitrahana ny amin’ny fianakaviany any an-danitra izay hihaona aminy rahatrizay izy. Maniry ny hanao safidy tsara hatrany mba hahafaly azy ireo i Jarom.

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Oksana Grivina

Hamoaka printy