2021
Ny fototra matanjaka iorenantsika
Nôvambra/Desambra 2021


Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Ny fototra matanjaka iorenantsika

Norafetina avy tamin’ny “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021.

Sary
President Nelson looking at Salt Lake Temple foundation

Zato taona mahery lasa izay no nananganana ny Tempolin’ny Salt Lake. Fitaovana nisy tamin’izany fotoana izany no nanorenan’ireo mpamaky lay izany. Mahatalanjona izany. Saingy rehefa jerentsika akaiky ny fototra dia hitantsika fa efa trotraky ny fotoana ny vato sasantsasany. Hitantsika ihany koa ireo banga eny anelakelan’ny rarivato sy ny vato sasantsasany izay tsy marin-toerana intsony.

Ankehitriny dia injeniera sy mpahay mari-trano ary mpanangana trano no miasa mba hahatonga ny fototr’io tempoly io ho mafy orina kokoa. Rehefa vitan’izy ireo ny asa dia lasa mafy mahatohitra ireo horohoron-tany sy rivo-mahery ilay tempoly. Ho lasa mafy orina kokoa hahasetra taona maro dia maro izany.

Tsy maintsy manorina ny fototry ny fainantsika eo amin’ilay vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy, isika. Ka rehefa mitranga ireo horohoron-tany ara-panahy dia ho afaka ny hijoro mafy orina isika.

Ny zavatra rehetra ianarantsika ao amin’ny tempoly dia manampy antsika hahatakatra kokoa mikasika an’i Jesoa Kristy. Rehefa miorina mafy eo amin’i Jesoa Kristy ny fototra ara-panahinareo dia tsy mila matahotra ianareo. Hohatanjahina amin’ny alalan’ny heriny ianareo.

I Jesoa Kristy no fototra azo antoka ho ahy.

Sary
coloring page of two children looking at statue of Jesus

Havia: Sary Tempoly nataon’i Bailey Rees; sary nahazoana lalana an’ny Filoha Nelson avy amin’ny Church News; Havanana: sary nataon’i Bryan Beach

Hamoaka printy