2021
Ny diako voalohany tany amin’ny tempoly
Nôvambra/Desambra 2021


Ny diako voalohany tany amin’ny tempoly

Sary
girl in dress, waving

Hola! Elena no anarako. Vao sambany aho no handeha any amin’ny tempoly.

Sary
girl talking with bishop

Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nihaona tamin’ny evekanay aho. Nametrahany fanontaniana vitsivitsy aho hakana antoka fa vonona ny handeha any amin’ny tempoly aho. (Azonao vakina ao amin’ny pejy 22 ireo fanontaniana!) Avy eo dia nomeny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aho.

Sary
girl packing bag for temple, brother tying tie

Vonona ny handeha izahay. Manao ny akanjoko fanao amin’ny alahady tsara indrindra aho. Mitondra zavatra hanamboarana ny voloko rehefa lena ihany koa aho. Ary alaiko antoka fa mitondra ilay fahazoan-dalako aho. Andeha hitaingina fiara fitaterana amin’izay izahay izao!

Sary
girl and brother riding bus to temple in Spain

Io ny tempoly! Tena tsara be ilay izy.

Sary
girl showing recommend at temple

Rehefa mandeha ao anatin’ny tempoly aho dia mahatsapa fiadanana. Asehoko ilay mpiasan’ny tempoly mahafinaritra eo amin’ny birao fidirana ny fahazoan-dalako. Omen’ny mpiasan’ny tempoly iray hafa akanjo tohitena fotsy aho. Mankany amin’ny toeram-pisoloana akanjo aho mba hisolo akanjo.

Sary
girl in white, standing by baptismal font

Miandry ny anjarako aho izao mba ho atao batisa. Rehefa anjaran’ny anadahiko dia mijoro eo akaikin’ilay dobo aho mba ho vavolombelona. Maka antoka aho fa tafaroboka tanteraka any anaty rano izy.

Sary
girl in white being baptized

Anjarako izao! Mafana ny rano. Atao batisa mifanesy ho an’olona betsaka aho.

Sary
girl being confirmed

Rehefa mitraka aho dia toloran’ny mpiasan’ny tempoly iray lamba famafàna. Manamaina ny tenako ao amin’ny toeram-pisoloana aho ary miverina manao ireo akanjo fanao amin’ny alahady. Rehefa niala tao aho dia mitondra ahy ho atao fanamafisana ny maha-mpikambana isoloana tena olona maromaro ny mpiasan’ny tempoly iray.

Sary
brother and sister leaving temple

Tena niavaka be ny fotoana nankanesako tany amin’ny tempoly! Faly aho afaka manampy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy fanamafisana ny maha-mpikambana ho azy ireo. Tsy andriko izay hiverenana any haingana indray.

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Rachel Hoffman-Bayles

Hamoaka printy