2021
Miandry ahy izy ireo!
Nôvambra/Desambra 2021


Nosoratanao

Miandry ahy izy ireo!

Tsy andriko ery ny hanaovako batisa isoloana tena ho an’ireo razambeko!

Sary
photo of two girls and mom in India

Manahoana! Giselle Olivia no anarako. Teraka tao Inde aho. Tiako i Jesoa Kristy. 2 faingo 3 isan-jaton’ny olona ato Inde ihany no Kristianina. Eny, tena sarotra indraindray. Fa fantatro fa manampy ahy sy mitarika ahy Izy. Ary ankehitriny ny Fiangonana dia manangana tempoly aty Inde!

Monina amina tanàna tsara tarehy misy olona an-tapitrisany aho. Ao anatin’izany olona an-tapitrisany izany dia ireto ireo olona enina tiako indrindra: ny mamako; i Halle zandriko vavy; ny raibe aman-drenibeko be fitiavana; ny dadatoako; ary ny nenitoako. Izy ireo no olona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako.

Tamin’ity taona ity izahay dia nanao fiaraha-mientana momba ny tantaram-pianakaviana, ka dia nianatra momba ireo razambeko aho. Nilaza i Mama fa na ny lehilahy na ny vehivavy ao amin’ny fianakaviako dia samy lava volo be, tahaka ahy. Avy eo izy nilaza zavatra tena manan-danja be: miandry ahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny razambeko! Nilaza izy fa miandry ny hanaovana ny batisan’izy ireo izy ireo—toy ahy tsy maintsy niandry ho feno valo taona vao azo natao batisa. (Natao batisa tamin’ny andro nitsingerenan’ny taonako aho! Tsara be e?)

Ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny razambeko hoy i mama. Tsy manana vatana toy ny ahy izy ireo ka dia tsy azo atao batisa. Tena mampalahelo be! Izay no antony hanaovana batisa antsika ho azy ireo ao amin’ny tempoly. Noteneniko i Mama fa rehefa vita ny tempoly ao Bengaluru, ary rehefa ampy taona aho, dia ho atao batisa ho azy ireo aho.

Sary
drawing of future temple in India

Manahoana! Giselle Olivia no anarako. Teraka tao Inde aho. Tiako i Jesoa Kristy. 2 faingo 3 isan-jaton’ny olona ato Inde ihany no Kristianina. Eny, tena sarotra indraindray. Fa fantatro fa manampy ahy sy mitarika ahy Izy. Ary ankehitriny ny Fiangonana dia manangana tempoly aty Inde!

Monina amina tanàna tsara tarehy misy olona an-tapitrisany aho. Ao anatin’izany olona an-tapitrisany izany dia ireto ireo olona enina tiako indrindra: ny mamako; i Halle zandriko vavy; ny raibe aman-drenibeko be fitiavana; ny dadatoako; ary ny nenitoako. Izy ireo no olona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako.

Tamin’ity taona ity izahay dia nanao fiaraha-mientana momba ny tantaram-pianakaviana, ka dia nianatra momba ireo razambeko aho. Nilaza i Mama fa na ny lehilahy na ny vehivavy ao amin’ny fianakaviako dia samy lava volo be, tahaka ahy. Avy eo izy nilaza zavatra tena manan-danja be: miandry ahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy ny razambeko! Nilaza izy fa miandry ny hanaovana ny batisan’izy ireo izy ireo—toy ahy tsy maintsy niandry ho feno valo taona vao azo natao batisa. (Natao batisa tamin’ny andro nitsingerenan’ny taonako aho! Tsara be e?)

Ho toy izao ny tempolin’i Bengaluru India rehefa vita orina!

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Patricia Castelao

Hamoaka printy