Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Fiangonana manerana izao tontolo izao
Nilaza tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo mba hifindra toerana lavitra. Ny sasany tamin’izy ireo dia nandeha sarety mitafo. Ny hafa kosa nitarika sarety tarihan-tanana.
Nandeha tamina toerana vaovao mba hipetrahana izy ireo. Nanorina trano sy tanàna izy ireo. Nanorina tempoly vaovao izy ireo.
Nandeha firenena maro ireo misiônera. Nampianatra ny hafa momba an’i Jesoa Kristy izy ireo. Nihabetsaka ny olona natao batisa. Nitombo ny Fiangonana.
Ankehitriny dia misy manerana izao tontolo izao ny mpikamban’ny Fiangonana. Firenena maro no ahitana tempoly.
Na aiza na aiza onenantsika dia tia antsika i Jesoa. Fantatro fa tia ahy Izy!