2021
Vonona ho any amin’ny tempoly
Nôvambra/Desambra 2021


Vonona ho any amin’ny tempoly

Tao Jamaika no nitrangan’ity tantara ity.

“Ahoana no hahafahako mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly? Hoy i Ajan nanontany.

“Ezaho kosa ny hanao ny zava-drehetra amim-pahamendrehana” (Môrmôna 9:29).

Sary
family meeting together at home in Jamaica

Nitsiky be i Ajan rehefa nahare dondòna tao am-baravarana. Nanasa ny rahalahy mpanompo azy ireo mba hanampy amin’ny fanatontosana takariva ao an-tokantrano miavaka iray i Madda (mama).

Nosokafany ny trano. “Wah gwaan, Rahalahy Williams!” (“Inona no vaovao?”)

Irie jiaby!” Hoy Rahalahy Williams. (“Milamina avokoa ny zava-drehetra e!”) Notolorany manga iray kitapo avy tamin’ny foto-mangany i Ajan.

Nipetraka teo amin’ny seza tao amin’ny trano fandraisam-bahiny i Rahalahy Williams. Nangatahan’i Madda i Dana, zandrivavin’i Ajan hanolotra vavaka.

Rehefa vita izany dia hoy i Rahalahy Williams hoe, “Ho feno 12 taona i Ajan amin’ity taona ity. Misy mahafantatra ve hoe nahoana ity no taona miavaka ho azy?”

Nitsiky tamim-pientanentanana i Tejaun zandrilahin’i Ajan. “Satria afaka hahazo ny fisoronana sy hizara ny fanasan’ny Tompo izy!”

“Marina izany!” Hoy Rahalahy Williams. “Fa misy antony hafa koa.”

Nosokafany ny kitapo kely fasiany vola aman-karatra ary navoakany tao ny taratasy kely iray. “Inty no atao hoe fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.”

Notolorany an’i Ajan izany.

“Tsara be!” Nakasihin’i Ajan tamin’ny rantsan-tanany ny sary tempoly volamena eo amin’ilay karatra. “Ataonao inona izy ity?”

“Asehoko amin’ilay olona mipetraka eo amin’ny birao fidirana ao amin’ny tempoly izy ity. Maneho amin’izy ireo izany fa mendrika ny hiditra ao anatin’izany aho.”

“Hoento aty hoe!” Nalain’i Dana tamin’i Ajan izany ary nojereny akaiky.

“Inona no fahatsapanao raha toa ka afaka manana ny anao manokana ianao?” Hoy Rahalahy Williams nanontany.

“Fahatsapana ho miavaka!” Nijery ny teo ambony eo amin’ilay karatra i Ajan. “Saingy tsy fantatro raha afaka handeha any amin’ny tempoly aho. Lafo be ny vidina tapakila fandehanana fiaramanidina hankanesana any.”

“Tsy afaka mandeha any amin’ny tempoly matetika ihany koa aho,” hoy i Rahalahy Williams. “Fa ny fahazoan-dalako dia mampahatsiahy ahy ny ho vonona hatrany amin’ny fidirana ao anatiny.”

Nieritreritra nandritra ny iray minitra i Ajan. “Te ho vonona koa aho,” hoy izy. Ahoana no hahafahako mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly?

“Mihaona amin’ny eveka ianao,” hoy Rahalahy Williams. “Hametraka fanontaniana vitsivitsy aminao izy hahitana raha vonona ianao.”

“Ohatran’ny hoe fitsapam-pahaizana ve?” Hoy Ajan nanontany, somary natahotra.

“Ohatran’ny hoe resadresaka ka,” hoy Rahalahy Williams. “Namanao ny eveka, ary maniry ny hanampy anao mba ho vonona izy.”

Nanetsika ny lohany i Ajan. Tiany ny eveka.

“Tianao ve ny hahita ireo fanontaniana?” Notoloran’i Rahalahy Williams taratasy iray misy ireo fanontaniana i Ajan. Nitangorona manodidina azy i Dana sy Tejaun mba hijery izany koa.

“Voalohany,” hoy i Ajan namaky. “Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina?-”

Miramirana ny endriny. Mora kely izany. “Eny!”

Novakiany tsirairay ireo fanontaniana. Nohazavain’i Madda sy Rahalahy Williams ny dikan’ny zavatra vitsivitsy.

Dia namaky fanontaniana iray hafa i Ajan: “-Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?-” Nikentrona i Ajan. “Indray andro aho nomen’i D’andre zava-pisotro misy rôma tamin’izaho tany an-tranony,” hoy izy. “Fa izaho anefa tsy te hiverina hisotro izany intsony. Midika ve izany fa tsy afaka mahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aho?”

“Ny fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena dia midika hoe tsy misotro zava-pisotro misy alikaola, ny zava-pisotro misy rôma anefa misy alikaola ao aminy,” hoy Rahalahy Williams. “Fa afaka mibebaka foana ianao ka ho mendrika ny hankany amin’ny tempoly.”

“Noho i Jesoa!” hoy i Tejaun.

“Izay indrindra!” Hoy Rahalahy Williams. “Ary avy eo dia afaka mampahatsiahy anao hitandrina ny Tenin’ny Fahendrena ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly anananao. Sy ny hivonona hatrany ny handeha any amin’ny tempoly.”

Nitsikitsiky i Ajan. Nahazo aina kokoa izy.

“Mety ho lasa any amin’ny tempoly haingana aho angamba,” hoy i Ajan. “Ary rehefa hankany aho dia ho vonona!”

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy