Tantara ao amin’ny soratra masina
Ny Tempolin’i Nauvoo
Nanorina tanàna vaovao antsoina hoe Nauvoo ireo Olomasina. Nilaza tamin’izy ireo mba hanangana tempoly iray tany Andriamanitra.
Niasa mafy ireo Olomasina hananganana izany. Naorin’izy ireo teo akaikin’ny renirano lehibe iray izany. Nisokitra sary masoandro sy kintana tamin’ny vato izy ireo.
Nilaza ny Tompo ny tokony hananganana dobo fanaovana batisa ao anatin’ny tempoly. Nofenoina rano izany.
Natao batisa ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay maty talohan’ny nahafahana nanaovana batisa azy ireo ny olona.
Amin’ny alalan’ny tempoly dia afaka ny ho tafaraka amin’ny fianakaviako mandrakizay aho. Indray andro any aho dia ho afaka hiditra ao anatiny mba hanao ny batisa atao any amin’ny tempoly.