2021
Asehoy sy lazao
Nôvambra/Desambra 2021


Asehoy sy lazao

Sary
Rafael Derhum Da Fonseca with his artwork on the wall behind him

Misy fahatsapana tsara ato amiko rehefa mieritreritra momba ny tempoly aho. Miandrandra ny hahafeno 11 taona ahy aho hanompoana ny Ray any An-danitra any amin’ny tempoly.

Rafael D., 10 taona, Paraná, Brezila

Sary
A photo of Grace Dadzie

Tsara tarehy ny hazom-pianakaviako satria misy ny anarana sy sarin’ny dadabe sy bebeko ary ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniko. Nahavita nampiditra anarana faobe miisa 1156 aho! Mino aho fa ny fampidirana anarana faobe dia fomba iray hampifandraisana ny fianakaviana.

Grace D., 11 taona, faritra Accra Lehibe, Ghana

Sary
Photo of Connor Ence

Nisy ankizilahy iray nifindra tao amin’ny kilasy misy anay teny antenantenan’ny taom-pianarana. Nanampy azy mba hahatsapany ho voaray tsara aho. Namako vaovao izy izao!

Connor E., 7 taona, Mazovia, Pologne

Sary
Sienna Sanberg holding up her art

Teraka tao Guatemala aho, ary amin’ny Día de Muertos, na ny Andron’ny Maty, dia manamboatra papango ny olona hahatsiarovana ireo olona ao amin’ny fianakaviana efa maty. Nanamboatra papango misy ny sarin’ny razambeko aho ary sarin’ny tenako eo afovoany hahatsiarovako ny fitiavan’izy ireo.

Sienna S., 8 taona, Utah, Etazonia

Sary
A photo of Sebastian Blow

Nanampy nitatitra hazo ho an’ny fianakaviana iray aho mba hahazoan’izy ireo hafanana ao an-trano.

Sebastian B., 10 taona, Virginia, Etazonia

Sary
A photo of Emma - Charlotte standing in front of a bus

Nitondra fanampiana tany amin’ny toby fizaran-tsakafo izahay tamin’ny fibatana boaty feno sakafo. Nampahatsiahy anay ny hanana fankasitrahana ho an’ny zavatra anananay izany. Nahatsapa fifaliana izahay afaka nanompo niaraka tamin’ny paroasinay.

Emma K. sy Charlotte F., 9 taona sy 11 taona, New Jersey, Etazonia

Sary
A photo of Savannah Reynolds

Rehefa nangataka anay hamaky ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Nelson dia nanapa-kevitra ny hamaky izany miaraka amin’ny ray aman-dreniko aho. Tsapako ny Fanahy Masina miteny amiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Mamaky ny soratra masina aho isan’andro ary nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa aho izao.

Savannah R., 10 taona, Texas, Etazonia

Sary
drawing of Jesus with children

“Tia antsika i Kristy,” Andrea V., 8 taona, Retalhuleu, Guatemala

Sary
drawing of Church building

Emma C., 7 taona, Santiago, Chili

Sary
drawing of the earth

“Manehoa fisaorana,” Lincoln H., 10 taona, Idaho, Etazonia

Sary
block art of a boat and whale

“I Jona sy ilay trozona,” Ben M., 10 taona, Missouri, Etazonia

Sary
drawing of Jesus in heaven

Bobby H., 8 taona, Alberta, Kanadà

Hamoaka printy