2021
Ry ray aman-dreny malala
Nôvambra/Desambra 2021


Ry ray aman-dreny malala,

Sary
letter to parents

Tsy misy izany hoe aloha loatra izany amin’ny fampianarana ny ankizy momba ny tempoly. Na dia tsy misy tempoly aza eo akaikinareo dia azonareo ampiana izy ireo hiomana hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Iaraho vakiana ny tantara ao amin’ny pejy 20, dia resadresaho ny fomba hahafahan’izy ireo mivonona hiditra ny tempoly. Azonao ampiasaina ihany koa ny pejy 22 hiresahana momba ny dinidinika atao momba ny tempoly. Ampahatsiahivo izy ireo fa tsy voatery ho tonga lafatra izy ireo vao afaka ho mendrika.

Ao amin’ny pejy 16, dia afaka mampiseho azy ireo ny fanaovana batisa any amin’ny tempoly ianao. Raha toa ka efa tany amin’ny tempoly ianao dia lazao azy ireo ny dikan’izany ho anao manokana. Ampio izy ireo hiandrandra ny fankanesana any indray andro any!

Amim-pitiavana,

Namana

Hamoaka printy