2021
Nanaja ny ray aman-dreniny i Jesoa
Nôvambra/Desambra 2021


Manampy toa an’i Jesoa

Nanaja ny ray aman-dreniny i Jesoa

young Jesus with his parents

Ny atao hoe manaja ny ray aman-dreny dia midika hoe mitia sy manaja ary mankatò azy ireo. Nanaja ny ray aman-dreniny teto an-tany i Jesoa. Nanaja ny Rainy any An-danitra ihany koa Izy tamin’ny fitandremana ireo didy.

Rehefa nihalehibe i Jesoa dia nankatò ny ray aman-dreniny tety an-tany. Nitia sy nikarakara azy ireo Izy. Na dia rehefa niala aina teo ambonin’ny hazofijaliana aza Izy dia nangataka ny iray tamin’ireo mpianany mba hikarakara ny reniny.

boy reading to his brother

Manampy aho amin’ny fampirimana ny efitranoko. Ampiako ihany koa i Mamá handahatra ny latabatra ho an’ny sakafo maraina sy ny sakafo atoandro ary ny sakafo hariva. Manampy aho amin’ny fikarakarana ireo biby ao an-trano, ny fampirimana ny kilalaoko, ary ny fiambesana ny zandriko.

Sebastian V., 7 taona, Central Department, Paragoay

Friend, November 2021 Tier 2

Sary nataon’i Andrew Bosley