Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana
Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.
Sagwitch Timbimboo
“Te hihavana amin’ny olombelona rehetra aho.”
-
Mpiadidy Shoshone tao amin’ny faritra izay any Utah avaratra ao Etazonia ankehitriny izy.
-
Natao batisa tamin’ny 1873 izy sy ny maro tamin’ireo olony.
-
Izy sy ny vadiny no anisan’ny mpivady zanatany Amerikana voalohany natao famehezana tany amin’ny tempoly.
-
Nanampy tamin’ny fananganana ny tempolin’i Logan Utah izy sy ny vahoakany. Taty aoriana dia nanao ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny vahoakany izay efa nodimandry izy ireo.
Anna Gaarden Widtsoe
“Voninahitra lehibe ho ahy … ny manampy amin’ny [fampielezana] ny filazantsara.”
-
Nipetraka tany Norvège izy. Mpananotena izy ary nitaiza zanakalahy roa.
-
Nianatra ny filazantsara avy tamin’ny olona mpanao kiraro iray izy. Rehefa nanamboatra ny kirarony io olona io dia nasiany kibokin’ny Fiangonana tao amin’ny kiraro tsirairay. Natao batisa teny an-dranomasina izy.
-
Nanao asa fitoriana tany Skandinavia izy. Lasa Apôstôly i John zanany.