Ry namana malala,
Tranon’ny Tompo ny tempoly. Izy ireny dia toerana masina hianarantsika momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ary hanatanterahana fanekempihavanana (fampanantenana) Aminy. Any amin’ny tempoly isika dia afaka atao batisa ho an’ireo izay efa maty ary fehezina amin’ny fianakaviantsika ho mandrakizay.
Na dia mbola kely loatra aza ianao izao ka tsy afaka miditra ao anatin’ny tempoly dia afaka miandrandra sahady ny fankanesana any indray andro any. Jereo ny ao amin’ny pejy 16 ianarana misimisy kokoa momba ny fankanesana any amin’ny tempoly. Inona no azonao atao izao mba hiomanana?
Amim-pitiavana,
Namana
Aiza aho no mamaky ny Namana
I Rina M., 9 taona, dia mamaky ny Namana amin’ny fiteny Anglisy any Dar Es Salaam, Tanzanie!
Tia mahita ny Tempoly izahay
I Maya sy Luke S., 9 taona sy 3 taona, dia nitsidika ny tempolin’i Oakland Californie.
Fianakaviana mandrakizay
Nanety sarin’ny tempolin’i Barranquilla Colombie aho ary nanao ny sarin’ny fianakaviako tao anatin’izany (des. 2019). Tiako ny fianakaviako ho tafaraka mandrakizay!
Lane S., 10 taona, Iowa, Etazonia