Maka Fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
Rehefa mahazo ny fahazoan-dalanao hidirana ny tempoly ianao dia hanao dinidinika amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampana. Azonao anontaniana azy izay tianao fantarina. Azon’ny ray na reny atao ihany koa ny miaraka aminao raha irinao izany. Ireto ny sasany amin’ireo zavatra izay horesahany aminao.
Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly
-
Moa ve ianao manana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina?
-
Moa ve ianao manana fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonany?
-
Moa ve ianao manohana ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana (toy ny mpaminany, ny apôstôly, ary ny evekanao)?
-
Moa ve ianao miezaka mitandrina ny sainao sy ny vatanao ho madio?
-
Moa ve ianao manaraka ny fampianaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny fomba itondranao ny hafa?
-
Moa ve ianao miezaka mitandrina ny Sabata ho masina?
-
Moa ve ianao miezaka ny ho marin-toetra?
-
Moa ve ianao mandoa fahafolonkarena 10 isan-jato feno?
-
Moa ve ianao mahatakatra sy manaja ny Tenin’ny Fahendrena?
-
Moa ve misy fahotana goavana mila ibebahanao?
-
Moa ve ianao mahatsapa ho mendrika ny hiditra ny tranon’ny Tompo?