2021
Fampifandraisana mahakasika ny tantaram-pianakaviana
Nôvambra/Desambra 2021


Zavatra mahafinaritra

Fampifandraisana mahakasika ny tantaram-pianakaviana

Sary
girl playing matching games with pictures of her family

Avy ao Rosia i Eva. Tia manao zavatra momba ny tantaram-pianakaviana izy! Manao horonan-tsary hizarana ny heviny amin’ny hafa izy. Inty misy anankiray azonao andramana.

  1. Ataovy sary na avoahy printy ny sary anankiroan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana—ny iray tamin’izy mbola kely ary ilay iray hafa rehefa lehibe.

  2. Apetaho amin’ny taratasy matevina ireo sary. Ravaho ny ao ambadik’ilay taratasy. (Nandravaka ny azy tamin’ny loko fampiasa amin’ny rano i Eva!) Dia tapaho ireo sary avy eo mba hanome karatra.

  3. Afaka milalao ilay kilalao fampifandraisana amin’izay ianao! Ataovy mihohaka ireo karatra. Makà karatra roa. Raha mampiseho olona roa samy hafa izany dia avereno amin’ny toerany. Raha mampiseho olona iray ihany izany dia tazomy ireo katatra ary anjaranao ihany avy eo. Firy ny fampifandraisana hitanao?

Sary
Friend, November 2021 Tier 2

Hamoaka printy