Tantara ao amin’ny soratra masina
Talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany
Azonao vakina ao amin’ny Abrahama 3:22–27 izany tantara izany.
Talohan’ny nahaterahantsika dia niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Raintsika any An-danitra isika. Nampianatra antsika momba ny drafitry ny fahasambarana Izy.
Nilaza ny Ray any An-danitra fa ho ety an-tany isika mba handray vatana. Hianatra sy hanao safidy isika. Indraindray dia hanao fahadisoana isika. Hila Mpamonjy isika.
Ny Mpamonjy dia hampiseho antsika ny fomba tokony hiainantsika. Ary rehefa manao safidy tsy mety isika dia afaka mibebaka.
Hoy i Jesoa hoe: “Inty aho; iraho aho.” Nifidy Azy mba ho Mpamonjy antsika ny Ray any An-danitra. Nampanantena i Jesoa fa ho avy ety an-tany mba hamonjy antsika.
Afaka manara-dia an’i Jesoa aho. Indray andro any aho dia ho afaka hiverina sy hiara-hiaina amin’ny Ray any An-danitra.