2022
Tsy dia tena manirery
Janoary/Febroary 2022


Tsy dia tena manirery

Naniry ny hahafahan’ny fianakaviany manontolo miara-mandeha any am-piangonana i Damián.

Sary
boy holding bag to travel

Nijery ny tao anaty kitapony i Damián raha toa ka tao daholo ny zavatra rehetra nilainy. Akanjo fanao any am-piangonana? Tao. Kiraro? Tao. Bokin’i Môrmôna? Tao. Nakatony ny kitapony, nataony teo an-tsorony ary nanatona ny varavarana izy.

“Neny a!” Hoy i Damián niantsoantso. “Ho any amin’i Abuela sy i Abuelo aho!”

Teo am-pamalonana ireo lamba famaohana i Mamá. Aza hadino ny manampy ny raibe sy renibenao.” Najanony ny zavatra nataony mba hahafahany mamihina an’i Damián mafy. “Fantatro fa tianao ny miaraka amin’izy ireo mankany am-piangonana. Ankafizo ny fotoana rahampitso.”

“Ho ankafiziko izany!” hoy i Damián. Saingy raha ny faniriako dia miarako ianao, hoy ny eritreriny.

Nandeha an-tongotra nankany amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara fitaterana i Damián. Mandray fiara fitaterana mamakivaky ny tanànany any Équateur izy mba hahatongavana any amin’ny tranon’i Abuela sy i Abuelo isaky ny sabotsy. Mijanona any amin’izy ireo izy ny alina. Dia miaraka amin’izy ireo any am-piangonana izy ny ampitson’izany.

Ny alahady maraina dia miakanjo mba ho any am-piangonana i Damián. Nohidiny ny bokotry ny lobany. Nampidiriny ny kirarony. Ary avy eo dia nandeha an-tongotra nankany am-piangonana niaraka amin’i Abuela sy i Abuelo izy.

Tian’i Damián ny fiangonana. Tiany ny mihira ireo hira sy mandray ny fanasan’ny Tompo. Tiany ihany koa ny mahita ireo namany. Saingy naniry izy mba ho tafaraka taminy ny fianakaviany.

Ny tolakandron’io dia nandeha an-tongotra nankany amin’ny tranon-drahalahy sy Rahavavy Ruiz i Damián sy i Abuela ary i Abuelo. Hanao takarivan’ny mpianakavy miaraka izy ireo. Nitondra flan mba hatao tsindrin-tsakafo i Abuela.

Momba an’i Jesoa ny lesona. Nandoko ny sary iray naneho an’i Jesoa i Damián teo am-pihainoana ny lesona. “Fantatr’i Jesoa tsara ny zavatra rehetra tsapatsika,” hoy Rahalahy Ruiz. “Na rehefa malahelo aza isika.”

Nijery ilay sarin’i Jesoa i Damián. Nahafaly azy ny nahafantatra fa fantatr’i Jesoa ny zavatra tsapany.

Taorian’ny vavaka famaranana dia hoy i Abuela hoe: “Nitondra flan aho. Iza no te hihinana?

“Izaho!” Hoy i Damián. Io tsindri-tsakafo marihitra sy mamy io no tena tian’i Damián indrindra! Ary flan faran’izay tsara no nataon’i Abuela.

Taorian’ilay takarivan’ny mpianakavy dia niara-nandeha an-tongotra tamin’i Damián nankany amin’ny fiantsonan’ny fiara fitaterana i Abuela mba hahafahany mody. Niondrika i Damián.

“Misy olana angaha?” Hoy i Abuela nanontany.

Nikentrona i Damián. “Tiako raha mba mankany am-piangonana miaraka amintsika ny fianakaviako.

“Izaho koa,” hoy i Abuela. Nofihininy i Damián. “Tena tian’ny fianakavianao ianao anefa. Toy izany koa izaho sy i Abuelo ary ny maro hafa!”

Tonga ilay fiara fitaterana. Nipetraka teo akaikin’ny varavarankely i Damián ary nikopakopaka an’i Abuela raha iny lasa iny ilay fiara fitaterana.

Nieritreritra ny zavatra nolazain’i Abuela i Damián. Nieritreritra momba an’i Mamá sy ny rahalahiny ary ny anabaviny izy. Fantany fa tena tia azy izy ireo. Avy eo dia nieritreritra momba ny mpampianatra iray ao amin’ny Kilonga izy sy ry Ruiz mianakavy ary i Abuela sy i Abuelo. Tia azy ihany koa ireo olona rehetra ireo.

Ary ambonin’ny zava-drehetra, dia fantatr’i Damián fa tia azy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa. Ary nanampy azy tsy hahatsapa ho manirery intsony izany.

Hamoaka printy