2022
Karatry ny olona be herim-po
Janoary/Febroary 2022


Karatry ny olona be herim-po

Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.

Adama

Sary
Adam in the Garden of Eden

“Ny lehilahy voalohany amin’ireo lehilahy rehetra”

  • Izy no lehilahy voalohany teto ambonin’ny tany. Nahary ny vatany Andriamanitra.

  • Niaina tao amin’ny Sahan’i Edena izy. Nanome anarana ireo biby sy vorona izy.

  • Mpaminany izy. Nampianatra ireo zanany ny filazantsara izy sy i Eva.

Eva

Sary
Eve in the Garden of Eden

“Ny renin’ny zavamananaina rehetra”

  • Izy no vehivavy voalohany teto ambonin’ny tany. Nahary ny vatany Andriamanitra.

  • Nanaraka ny drafitr’ Andriamanitra izy ary nandao ny Sahan’i Edena niaraka tamin’i Adama.

  • Nivavaka sy niasa mafy izy mba hikarakarana ny fianakaviany.

Sary
cut-out cards

Sary nataon’i Alona Millgram

Hamoaka printy