2022
Nanampy ny olona sahirana i Jesoa
Janoary/Febroary 2022


Manampy toa an’i Jesoa

Nanampy ny olona sahirana i Jesoa

Sary
Jesus helping up a sick man

Fony Izy teto an-tany dia nanasitrana ireo olona marary i Jesoa. Nanome sakafo ireo noana Izy. Nanome fampiononana an’ireo izay nahatsapa ho manirery Izy.

Nampianatra ireo mpanaradia Azy mba hanampy ny hafa ihany koa i Jesoa. Nolazainy fa tokony hanome sakafo sy rano ary akanjo ireo olona izay mila izany izy ireo. Nilaza tamin’izy ireo Izy hamangy ireo izay nahatsapa ho manirery. Nilaza i Jesoa fa rehefa manompo ny hafa izy ireo dia tahaka ny manompo Azy ihany.

Sary
boy carrying firewood

Manompo an-drahavavy Rosa ny fianakaviako. 90 taona Rahavavy Rosa ka noho izany dia tsy afaka mivoaka ny tranony izy. Manampy an’i Dada mitaona sy manatitra kitay ho an’i Rosa aho.

Ignacio G., 9 taona, Departemantan’i Canelones, Uruguay

Hamoaka printy