2022
Fantaro i Ami avy any Japana
Janoary/Febroary 2022


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Ami avy any Japana

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

photo of girl in Japan

Ny mombamomba an’i Ami rehetra

Ami painting

Fiteny: Japôney

Taona: 10

Tanjona sy nofinofy: 1) Ho lasa mpamokatra sarimiaina. 2) Manao baseball. 3) Mamaky pejy iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isan’andro.

Fianakaviana: Neny, Dada, anadahy telo ary rahavavy iray

Ireo asa fanomezan-tanana ataon’i Ami

photo of Ami helping load food boxes

Mipetraka any Okinawa any Japana i Ami. Noho ny COVID-19 dia maro ireo olona tany izay sahirana amin’ny fitadiavana sakafo. Noho izany dia nanomana hetsika fanangonan-tsakafo ny paroasy nisy an’i Ami. Tena te hanampy izy!

Nihaona tao amin’ny trano fiangonana izy rehetra. Nitandrina izy ireo teo am-piasana. Nanao aro-tava i Ami.

Nanangona ireo baoritra i Ami. Rehefa feno sakafo ireo baoritra dia nohidiny izany mba hasiana scotch. Nieritreritra ny fomba namahanan’i Jesoa vahoaka tamin’ny mofo sy hazandrano i Ami. Faly izy nanampy tamin’ny fanomezana sakafo ireo olona noana tahaka ny nataony.

Ireo zavatra tian’i Ami indrindra

pictures of baseball park and other favorites

Toerana: Kianja filalaovana baseball

Tantara momba an’i Jesoa: Tamin’ny nahaterahany

Hira ao amin’ny Kilonga: “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2.)

Sakafo: Henomby

Loko: Maitso mangirana

Taranja any an-tsekoly: Fianarana momba ny fiarahamonina sy fanatanjahan-tena

Page from the January/February 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’i Hannah Li