2022
Maneho ny fiarahabana avy aty Japana!
Janoary/Febroary 2022


Maneho ny fiarahabana avy aty Japana!

Miaraha amin’i Margo sy i Paolo eo am-pitetezan’izy ireo an’izao tontolo izao mba hianarana momba ireo zanak’ Andriamanitra.

I Japana dia nosy iray izay firenena ao amin’ny faritra atsinanan’i Azia. Mihoatra ny 126 tapitrisa ny isan’ny olona any.

Mmm!

Sary
chopsticks holding sushi roll

Ny sushi dia sakafo japôney iray malaza. Vita avy amin’ny vary sy ahi-drano sy trondro ary akora hafa izany.

Iza no miara-mipetraka aminao?

Sary
girl sitting with grandparents

Maro ireo ankizy japôney no sady miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny no miara-mipetraka amin’ny ray aman-drenibeny.

Andron’ny ankizy

Sary
fish-shaped flags

Andro tsy fiasana iray miavaka ny 5 mey izay antsoina hoe Andron’ny Ankizy. Manantona ny koinobori (saina miendrika trondro) ny olona mba hanomezana voninahitra ny ankizy sy hirariana hoavy mamiratra ho azy ireo.

Amin’ny fomba ahoana no hanomezanao voninahitra ireo razambenao?

Sary
boy cleaning gravestone

Ity zazalahy iray ity dia manadio ny fasan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany mba hanehoany fanajana.

Tempoly MIISA 3 any Japana

Sary
boy standing in front of temple

Misy mpikamban’ny Fiangonana miisa 130.000 any Japana. Ity zazalahy ity dia nankany amin’ny tempolin’i Sapporo.

Hamoaka printy