2022
Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao
Janoary/Febroary 2022


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao

Notsoahina avy tamin’ilay fampitana Friend to Friend for Children: 2021.

Sary
pictures of children’s faces

Ry tanora namako, tiako ianareo! Rehefa mahita anareo aho dia mieritreritra momba ireo zafiafiko. Fantatrareo ve fa ao amin’ny fianakaviako dia manana zafiafy mihoatra ny 100 izay latsaky ny 12 taona izahay? Mahira-tsaina sy tena sarobidy tahaka anareo ihany izy ireo.

Zanaka malalan’ Andriamanitra ianareo. Aoka hotsaroanareo izany! Raha tsy manadino na oviana na oviana izany fahamarinana madio iray izany ianareo dia afaka hiatrika na inona na inona olana amim-pinoana sy amin’ny herim-po.

Rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana ianareo dia mampanantena fa hanaraka ny Tompo. Ary mampanantena Izy fa handefa ny Fanahiny hitarika anareo. Eritrereto fotsiny anie ny fahazavana sy ny fitiavana entinareo eo amin’izao tontolo izao amin’ny maha-mpanaradia mahatoky an’i Jesoa Kristy anareo e!

Rankizy malala namako, faly aho noho ny amin’ny tsirairay aminareo! Fantatro fa miambina anareo ny Ray any An-danitra. Tena tiany ianareo ary izaho koa tena tia anareo.

Ny drafitry ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra

Sary
Page from the January/February 2022 Friend Magazine.

Lokoy ireo sary mba hianaranao misimisy kokoa momba ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mamakia misimisy kokoa ao amin’ny Abrahama 3–5.

Niara-nonina tamin’ny Ray any An-danitra isika talohan’ny nahaterahantsika.

Nangataka an’i Jesoa Kristy Izy hamorona ny tany ho antsika.

Nanao ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana i Jesoa mba hitondra hazavana.

Tsara ery ny nanaovan’i Jesoa an’izao tontolo izao noho ireo hazo sy ireo voninkazo. Namorona ireo trondro sy ireo vorona ary ireo biby Izy.

Avy eo dia napetrak’ Andriamanitra teo ambonin’ny tany i Adama sy i Eva ray aman-drenintsika voalohany.

Tia ahy sy miahy ny amiko ny Ray any An-danitra.

Sary nataon’i Elise Black

Hamoaka printy