2022
Ireo diarin’i Papa
Janoary/Febroary 2022


Ireo diarin’i Papa

Tao Tahiti no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
boy sitting on bench, reading

Nipetraka teo amin’ny dabilio iray teo ivelan’ny tranony i Allan. Nilentika ny masoandro. Nijoalajoala teo anatrehan’ny lanitra mavokely sy volomboasary ireo hazo palma.

Navadiny ny pejin’ilay boky izay novakiny. Tsy nisy sary tao anatin’izany. Saingy tsy nampaninona an’i Allan izany. Tiany ny namaky izany boky izany!

Nitsambikimbikina namaky ireo teny nataon’i Papa sora-tanana mazava ny masony. Tsaroany ity ampahany ity! Nampihomehy azy foana izany.

Tamin’izay indrindra no nivoaka tany ivelany i Papa. “Inona no mampihomehy anao?”

“Mamaky ny iray amin’ireo bokinao aho.” Sady nivanitika i Allan. “Tiako ilay ampahany miresaka momba ilay voanio.”

“Hay ve e! Ilay diariko no tianao holazaina.” Nipetraka teo akaikin’i Allan i Papa. “Mitantara ny tantaram-piainako izy ireo. Saingy tsy momba ahy irery ihany izy ireo. Ao anatin’izy ireo ihany koa ianao. Dia i Mama ihany koa, sy ireo rahalahinao sy anabavinao.

“Tahaka an’i Nefia!” Hoy i Allan. “Nanoratra tantara momba ny fiainany izy ary nanoratra momba ny fianakaviany ihany koa.”

“Marina izany!” Hoy i Papa.

“Tiako kokoa ireo ampahany miresaka momba anao.” Hoy i Allan. “Toy ilay ianao fony misiônera taty Tahiti.”

“Tiako kokoa ireo tantara momba anao,” hoy i Papa. “Fantatrao ve fa nampitondrainay ny fanampin’anaran’ny Loholona Bednar ianao?”

“Tsy mbola nilaza izany tamiko ianao!” Tsy andriko izay hamakiana izany ampahany izany.”

Nitsiky i Papa. “Feno tantara ao anatin’ireo diariko. Nanoratra tao anaty diary nanomboka tamin’ny faha-valo taonako aho.”

Sary
boy reading journal with his dad

“Nanomboka ianao valo taona?” Hoy i Allan nanontany. “Fotoana tena efa ela be izany.”

Nihomehy i Papa. “Tsy dia mbola antitra kosa aho e!”

Nieritreritra nandritra ny fotoana vitsy i Allan. “Tsy ho ela dia ho feno valo taona aho,” hoy izy. “Afaka mahazo diary ve aho amin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahako?”

“Mazava ho azy!” Hoy i Papa.

“Dia afaka manoratra ireo tantarako aho ka indray andro any dia ho afaka ny hamaky azy ireny ireo zanako.”

“Tena fombam-pianakaviana tsara atao tokoa izany!” Hoy i Papa.

Hamoaka printy