2022
Nahazo valiny i Dinis
Janoary/Febroary 2022


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

Nahazo valiny i Dinis

Sary
boy kneeling and praying on bunkbed

Nidridroka ny kidoron’ilay farafara superposé raha nivadika i Dinis. Nihodinkodina sy nivadibadika izy ny alina manontolo. Saingy tsy nahita tory tsotra izao izy!

Ahoana raha diso ireo misiônera? Hoy ny eritreritr’i Dinis. Ahoana raha tsy ity ny fiangonana marina? Ahoana raha diso lalana aho? Nanohy nanelingelina azy ireo fanontaniana.

Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana roa taona talohan’io ny fianakavian’i Dinis, tamin’izy 10 taona. Tamin’ny fotoana nampianaran’ireo misiônera azy ireo voalohany dia nahatsapa teo no ho eo i Dinis fa marina ireo zavatra nampianarin’izy ireo. I Dinis sy ny fianakaviany dia isan’ireo olona voalohany izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Portugal. Mpamaky lay i Dinis!

Saingy tato ho ato izy dia nanomboka niahiahy. Ahoana raha tsy safidy tsara ny hoe hatao batisa?

Tsy niteny tamin’iza na tamin’iza i Dinis hoe niahiahy izy. Na tamin’ireo rahalahiny na tamin’ny anabaviny aza. Na tamin’ny ray aman-dreniny aza. Anio alina anefa dia izay ihany no nibahana ny eritreriny.

Nisento i Dinis. Nitazana avy teo amin’ny sisim-pandriana izy. Resin-tory ireo rahalahiny izay teo amin’ny farafara ambany. Nanirery i Dinis.

Fantany fa nila nanontany an’ Andriamanitra izy raha toa ka marina ny Fiangonana. Nandohalika teo am-povoan’ny fandriany izy. Nanondrika ny lohany izy ary nanomboka nivavaka.

“Ry Andriamanitra ô,” hoy i Dinis moramora. “Mba hampahafantaro ahy raha tena nahita anao sy i Jesoa tokoa i Joseph Smith.”

Efa nivavaka imbetsaka i Dinis taloha. Saingy zavatra hafa no nitranga tamin’izay. Tena nila nahafantatra i Dinis. Nivavaka mafy kokoa noho ny hatramin’izay izy mba hahazo fanampiana.

“Tsy te ho diso aho,” hoy izy nibitsibitsika. “Tiako ho fantatra fotsiny izay marina.”

Avy eo dia nahatsapa zavatra i Dinis. Nahery vaika sy nafana ilay fahatsapana. Nitombo izany ka tsapany manerana ny vatany iray manontolo. Nahatsapa ho toy ny feno fifaliana izy!

Fantatr’i Dinis fa izany fahatsapana izany dia ny Fanahy Masina. Namaly ny vavaka nataony Andriamanitra! Marina ny an’ireo misiônera. Tena mpaminany tokoa i Joseph Smith. Ary tsy safidy tsara fotsiny ihany ny hoe hatao batisa. Fa safidy tsara indrindra izany.

Nitsilany i Dinis ary nijery ny valindrihana. Lasa ireo ahiahiny. Nosintoniny hanodidina azy akaiky ny lamba firakony. Ary vetivety teo dia resin-tory izy.

Rehefa nihalehibe i Dinis dia tsaroany foana ilay alina izay nivavahany teo amin’ilay farafarany superposé. Fantany fa teo amin’ilay lalana marina izy amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Ary fantany fa handre foana ny vavaka izay hataony ny Ray any An-danitra.

Firenena iray any Eorôpa andrefana i Portugal.

Misy tempoly iray i Portugal. Notokanana tamin’ny 2019 izany.

Any Portugal no misy ny fivarotam-boky tranainy indrindra eran’izao tontolo izao.

Natao batisa tao anaty dobo filomanosana tao amin’ny tranon’ny misiôna i Dinis.

Nanao asa fitoriana tany amin’ireo nosy any amin’ny morontsirak’i Espagne sy Portugal ary Afrque izy.

I Dinis sy ireo mpiray tampo aminy anankitelo dia niara-nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tamin’ny fotoana iray!

Hamoaka printy