2022
Manampy toa an’i Jesoa
Janoary/Febroary 2022


Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana

Manampy toa an’i Jesoa

Sary
girl pushing young boy in stroller

Fony aho mbola tao amin’ny Kilonga dia mbola zaza vao miana-mandeha ny anadahiko ary ny rahavaviko kosa zazakely vao teraka. Sahirana nikarakara azy ireo ny reniko ny tontolo andro ka rehefa mody avy mianatra aho dia manampy azy. Apetrako ao anaty posiposin-jaza ny anadahiko ary entiko miverimberina mandehandeha manodidina ny trano izy. Miresaka momba ny hatsaran’izao tontolo izao izahay ary mijery ireo vorona, sy ireo bibikely ary ireo biby fiompin’ireo mpiray vodirindrina aminay. Zavatra kely izany saingy nitondra zavatra lehibe! Nanampy ny reniko hahatsapa fifaliana sy mba ho afa-tsasatra izany. Nanampy ny fianakaviako iray manontolo izany. Fomba iray hanampiana tahaka ny fomba tian’i Jesoa hanampiantsika izany.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy?

Sary
Jesus with children

Amin’ny maha-ankizy ao amin’ny Kilonga anareo dia afaka mitondra fiovana lehibe ianareo amin’ny alalan’ireo fihetsika bitika feno hatsaram-panahy ataonareo. Rehefa manolo-tanana ianao mba hanompo ny hafa dia misolo toerana an’i Jesoa Kristy ianao izay. Manampy ny hafa hahatsapa ny fitiavany ianao.

Fantaro ireo tantaran’i Jesoa. Avy eo dia manontania tena hoe: “Inona no ho nataon’i Jesoa?” Misy ireo olona manodidina anao izay mila fanampiana. Ny sasany amin’izy ireny dia ao an-tokantranonao ihany na eo ampitan’ny arabe.

Rehefa manao zavatra tsotra mba hanampiana ianao dia hanampy anao hanana fahatsapana tsara ao anatinao ny Fanahy Masina. Ho fantatrao fa nanao izay ho nataon’i Jesoa ianao.

Manan-danja ihany koa ny fanekena fanampiana avy amin’ny hafa. Rehefa manampy antsika ny hafa dia afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra antsika ihany koa isika!

Tiako ianareo! Fantatro fa tia anareo i Jesoa Kristy! Hahatsapa ny fitiavany ianareo rehefa manolo-tanana mba hanompo ny hafa.

Ireo asa fanomezan-tanana ataonao

Ny mombamomba anao

Taona:

Avy aminʼny:

Fiteny:

Fianakaviana:

Tanjona sy nofinofy:

Tantarao aminay ny fotoana iray izay nanampianao ny tao an-tokantrano na tao amin’ny fiaraha-monina misy anao:

Inona no tsapanao rehefa manampy ny hafa na rehefa manara-dia an’i Jesoa ianao?

Ireo zavatra tena tianao

Toerana:

Tantara momba an’i Jesoa:

Hira ao amin’ny Kilonga:

Sakafo:

Loko:

Taranja any an-tsekoly:

Hamoaka printy