Manolo-tanana i Carolina
Ahoana no hahafahan’i Carolina manampy ilay namany?
Niezaka nihaino ny mpampianatra azy i Carolina. Saingy tsy afaka nitsahatra nijery an’i Ramón namany izy. Tsy nisy volo izy!
Efa elaela izay no nihintsanan’ny volony. Lasa sola izy izao.
Nahare feo tao aoriany i Carolina. Nitsikanikany i Cesar sy i Luis. Nanantena izy fa tsy i Ramón no nihomehezan’ izy ireo.
Ny maraina manontolo dia niondrikondrika i Ramón. Tsy nanangan-tanana izy. Nalahelo ny endriny. Naniry ny hanampy azy hahatsapa ho falifaly kokoa i Carolina.
Nony farany dia tonga ny fotoana hilalaovana any ivelany. I Ramón no voalohany nivoaka ny efitrano fianarana. Rehefa tonga tany ivelany i Carolina dia tsy nahita azy na taiza na taiza! Tsy nilalao baolina kitra izy. Tsy nananika ireo tsora-by izy. Ary tsy nilalao sabàka teny akaikin’ny mpampianatra izy.
Io izy io! Nijoro teny an-joron-tokontany i Ramón. Ary teo ihany koa i Cesar sy i Luis. Nanatona akaiky kokoa i Carolina.
“Jereo anie ny haben’ny lohany e!” Hoy i Cesar nihiaka.
Nihomehy i Luis. Hotapahako koa ny voloko raha nanana volo ratsy be toy ny azy aho.”
Navonkon’i Ramón ny totohondriny. Nitady hitomany ny endriny.
Nihazakazaka nankeny amin’i Ramón i Carolina. “Te hilalao miaraka amiko ve ianao?” hoy izy nanontany. Notazoniny ny tanany ary niara-nandeha izy ireo. Nanohy nandeha nandra-pahatongan’izy ireo ho eo akaikin’ny mpampianatra izy ireo. Tsy hisy manelingelina izy ireo eo.
“Te hilalao sabàka ve ianao?” Hoy i Carolina nanontany.
Nanetsiketsika ny lohany nanao eny i Ramón. Nanao sarina tsipika tamin’ny tany izy.
“Ao tsara ve ianao?” hoy izy nanontany.
“Tsy maninona intsony aho izao.” Nitsikitsiky i Ramón. “Misaotra nanampy ahy.”
Nitsikitsiky i Carolina. Faly izy fa nanana herim-po ampy nanampiana ilay namany.