2022
Hira sy roatran-tsavony
Janoary/Febroary 2022


Hira sy roatran-tsavony

Nitsikanikany i Alice rehefa naka sary an-tsaina ny Filoha Kimball niara-nihira tamin’ny omby iray.

Sary
girl washing dishes

Nasian’ i Alice paty tamin’ny sotro ny lovia baolin’ny anadahiny. Tiany ireo zandriny lahy sy vavy. Izy dimyizany! Mahafinaritra ny manampy azy ireo. Saingy sarotra indraindray ilay hoe zokiny indrindra. Hatramin’ny nahatongavan’ilay zaza vao teraka tao an-trano dia tsy maintsy nanampy nisinisy kokoa izy. Tena betsaka ny zava-nitranga tao an-tranony!

“Inona no zavatra nianaranao tany am-piangonana androany?” Hoy i Dada nanontany.

“I Jesoa!” Hoy i Sarah zandrin’i Alice vavy. Nofenoiny paoma nandrahoina ny viliany.

Nitsikitsiky i Alice. Nahafatifaty i Sarah. No be korontana ihany koa.

“Nianatra momba ny Filoha Kimball aho …” hoy i Alice raha nanomboka niteny. Kanefa dia niantso avy any amin’ilay efitrano iray hafa i Neny. Nila ny fanampian’i Dada izy tamin’ilay zazakely.

“Azafady,” hoy i Dada. “Vetivety aho dia miverina eo.”

Raha teo am-panampiana an’i Neny i Dada, i Alice kosa nanampy ny hafa rehetra. Voadonan’i Eric ny verany nisy ronono. Nodiovin’i Alice izany. Nanomboka nitomany i Sarah. Nofihinin’i Alice izy. Nitady paty fanampiny i Clara. Nomen’i Alice izy.

Na dia efa tafaverina aza i Dada dia mbola be tabatabata sy nikorontana ihany ny tao an-dakozia. Tian’i Alice raha mba moramora kokoa ny fahafahana mahatsapa fiadanana.

Tapitra ihany noho ny farany ny sakafo atoandro. Nanampy ireo mpiray tampo taminy i Alice nitaona ny vilian’izy ireo nankeo amin’ny fanasam-bilia. Efa lehibe i Alice ka tsy namaky zavatra intsony. Noho izany dia izy no tompon’andraikitra tamin’ny fanasana vilia. Nofenoiny ranon-tsavony ny toerana fanasam-bilia.

Tiako raha mba tsy nila nanao raharaha izany mihitsy aho, hoy i Alice tany an-tsainy. Avy eo dia tsaroany ny zavatra nianarany tao amin’ny Kilonga momba ny Filoha Spencer W. Kimball. Fony izy mbola kely dia tsy maintsy nanao raharaha ihany koa. Nahazatra azy ny mihira hira ao amin’ny fihirana rehefa eo am-piterena omby izy!

Naka sary an-tsaina ny Filoha Kimball nampiara-peo tamin’ny omby iray i Alice. Nitsikanikany izy.

Avy eo dia nahita hevitra izy. Afaka ny ho tahaka ny mpaminany izy! Noraisiny ny boky fihirana ary nosokafany teo amin’ny hira voalohany.

Navelany nisokatra teo ihany izany. Napetrany teo ambany varavarankely ilay boky. Nasisiny tao ambadiky ny tavim-boninkazo iray ny sisiny iray tamin’ilay boky. Avy eo ny ilany kosa nasisiny tao ambadiky ny kaopy mavesatra iray. Afaka nahita izany izy amin’izay izy eo am-panaovana zavatra.

Sary
hymnbook propped up on windowsill

Raha mbola teo am-pikosehana vilia baolina sy kaopy ary sotro i Alice dia nihira ilay hira ao amin’ny fihirana. Tsapany hoe nahafinaritra ireo raotran-tsavony teo amin’ny tanany. Ary nahafaly ny fony ilay hira.

Ny ampitson’io dia nihira indray i Alice. Ary ny andro manaraka koa. Dia niezaka nitadidy ny tonon’ireo hira tsirairay izy. Avy eo dia nataony toy izany indray ny manaraka. Nianatra hira vaovao ihany koa i Alice! Efa nianatra pianô nandritra ny taona vitsy izy. Rehefa tsy hainy ny hira iray dia nianarany tamin’ny pianô ireo naoty.

Tsy ela dia tsy nampaninona an’i Alice loatra intsony ny fanasana vilia. Indraindray aza dia tiany mihitsy izany! Nahafinaritra ny nihira sy nieritreritra momba an’i Jesoa. Toy ireny hoe nahazo namana vaovao ireny ny fianarana hira vaovao iray. Na toy ny inona na toy ny inona ny tabataba manodidina azy dia nanampy azy hahatsapa fiadanana ireo hira ao amin’ny fihirana.

Sary
Page from the January 2022 Friend Magazine.

Sary nataon’i Erin Taylor

Hamoaka printy