Afaka mitendry izany aho
Hamirapiratra aho
Iainana tsara [naoty mainty] = 96–104
1. Ao anatiko ao re
Ilay fahazavany
Nampanantena Azy aho
Ny hazava hatrany hatrany:
Hanara-dia ny Tompo,
na aiza na oviana,
Ka ilay drafi-pamonjeny
Ataoko am-pifaliana.
2. Tena hampitraka ny hafa
tsy hahatsiaro ho manirery
Ny hatsaram-panahy
sy teny mankahery.
Mahatonga ny fitia
Hipàka sy hiely
Ny fiezahana ho toa Azy
Atao tsikelikely.
Isan’andininy: Koa hamiratra aho ka hazava,
‘zay no hahatonga ny haizim-be hisava.
Ary hita ihany koa fa mazava kokoa
Raha ny hazavany no ao am-po.
Ny hazavany no ao am-po.