Miara-manara-dia an’i Jesoa
Ny Kilonga iray any Denbighshire, Pays de Galles no nanao ity sarin’ny Fahitana Voalohany ity!
Mamaky ny soratra masina isan’andro andro aho hianarako zava-baovao. Tsy andriko ny fotoana handehanako hanao asa fitoriana!
Rashad E., 10 taona, Virginie de l’Ouest, États-Unis
Mitebiteby lava aho. Nanome hevitra vitsivitsy ahy ny reniko izay nampihena izany saingy tsy mbola afaka tanteraka izany. Nivavaka aho mba hahazo fanampiana ary nanomboka nisava ny tebitebiko!
Felix G., 10 taona, Californie, États-Unis
Nandravaka baoritra iray aho ary nofenoiko tavoahangy misy rano izany sy famanana tanana ho an’ireo olona mpanatitr’entana ato amin’ny tranobe ipetrahanay. Miezaka manompo tahaka an’i Jesoa aho!
Ellie Rose M., 6 taona, New York, États-Unis
Nianatra momba an’i Saskatchewan izahay tany am-pianarana. Nanana fahafahana nizara tamin’ireo mpiara-mianatra amiko aho fa manao asa fitoriana any ny anabaviko!
Jacob S., 7 taona, Alberta, Canada
Nanamboatra sambo izahay! Ny iray dia sambo izay nitondra ireo razambenay rehefa nifindra monina tany États-Unis izy ireo niala avy tany Suède, taranaka niisa 6 nifandimby lasa izay.
Aksel sy Declan M., 6 taona sy 9 taona, Caroline du Nord, États-Unis
Nandre teny ratsy aho izay tsy nampahazo aina ahy. Rehefa tonga tany an-trano aho dia nivavaka mba hahazo fanampiana hanadinoiko ireo teny. Namaly ny vavaka nataoko ny Ray any An-danitra.
Emree H., 10 taona, Oregon, États-Unis
Natahotra ho any am-pianarana ny iray amin’ireo mpiara-mianatra tamiko. Tonga aloha aho isan’andro mba hiandry azy mba tsy hahatsapany ho manirery. Mahafaly ahy ny manampy ny hafa satria manara-dia an’i Jesoa aho.
Fang Z., 6 taona, Hsinchu, Taiwan
Emmy S., 8 taona, Michigan, États-Unis
Madelina H., 9 taona, Ulaanbaatar, Mongolie
“Ny fianakaviako,” Janus C., 7 taona, Nouveau Pays de Galles du Sud, Australie