2023
Malalan’ Andriamanitra
Septembra 2023


“Malalan’ Andriamanitra,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

1 Korintiana 11

Malalan’ Andriamanitra

Ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra dia manana tanjona masina ny zatovovavy sy ny zatovolahy tsirairay. Tiana sy ilaina ianareo tsirairay avy.

Sary
Loholona Gong miaraka amina zatovo

Alaivo sary an-tsaina hoe ho toy ahoana ny mozika raha toa ka mitovy ny feon’ny zavamaneno rehetra. Ahoana raha naoty mitovy avokoa no avoakan’ny kitendry rehetra amin’ny pianô na raha toa ka nitovy daholo ny feo ao amin’ny amboaram-peo iray? Tena hankaleo ny mozika raha izany no zava-misy!

Soa ihany ny zavamaneno sy ny feon’ny amboaram-peo fa tsy mitovy feo sy lantom-peo. Ireo kitendry rehetra amin’ny pianô dia manolotra feon-kira maro, ary ny amboaram-peo dia manolotra firindram-peo tsara dia tsara. Ny hôrna, ny trompetra, ny lokanga, ary ny amponga dia samy mitondra feo miavaka ao amin’ny firindram-peon’ny ôrkesitra.

Hery sy fanomezam-pahasoavana

Tahaka ny amin’ny mozika, ny Ray any An-danitra dia mifaly amin’ireo talenta sy toetra samihafa ananan’ny zanany tsirairay ary ireo zavatra niainan’ny zanany tsirairay, izay samy zanakavavy na zanakalahy malalany. Na inona na inona toe-javatra iainanao, na aiza na aiza misy eo anivon’ireo firenena sy foko ary vahoaka, dia mankalaza ny hery anaty tsy manam-petra anananao ny Ray any An-danitra, sy izay mety hahatongavanao amin’ny alalan’ny fankatoavana sy ny fahasoavana ary ny fitiavana.

Sary
zatovolahy mitendry clavier

Amim-pitiavana lehibe no anasany anao hahita ny maha-andriamanitra anao sy hanatanteraka ny tanjonao masina. Mamporisika anao Izy mba hampivelatra ny fanomezam-pahasoavanao ara-panahy, ny toetranao araka an’ Andriamanitra, ary ireo fahafahana lehibe hanaovan-javatra. Ary manolotra anao fahafahana isan’andro Izy mba hianatra hahita sy hanompo ireo manodidina anao tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy.

Ao amin’ny drafitra masin’ Andriamanitra dia tonga eto amin’ity tontolo ity amin’ny alalan’ny reny sy ny ray isika. Mila an’izy roa ny fianakaviana. Ny ray aman-dreny amin’ny maha-mpiara-miasa azy ireo dia miaraka mitaiza sy mikarakara ny fianakaviany. Ao an-tokantranontsika, ireo ray dia tokony hiahy amim-pahalemem-panahy, sy amim-pahamoram-po, ary amim-pitiavana tsy mihatsaravelatsihy. Ireo no toetra tsara ilain’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisantsika rehetra. Mitomany ny lanitra rehefa misy fanararaotana, fanjakazakana, na karazana fanerena na manao ahoana na manao ahoana, ataon’ny lehilahy na ny vehivavy. Ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy ary ny fahalalana madio no toetra tahaka ny an’i Kristy izay katsahintsika tsirairay avy.

Mazava ho azy fa tsy misy olona na koa fianakaviana izay tonga lafatra. Na inona na inona toe-javatra misy anao, dia hajao ny ray aman-dreninao ary tiavo ny fianakavianao, ilay fianakaviana anananao sy ilay fianakaviana izay hanananao indray andro any. Afaka manampy anao hahatakatra sy hamela heloka ary hampahery ny manodidina anao ny Mpamonjy antsika. Rehefa manao izay azonao atao ianao dia hanampy sy hitarika anao ny Tompo. Aoka ho tsaroanao fa ny toerana misy anao eo anatrehan’ny Tompo sy ny Fiangonany dia miankina amin’ny toetranao manokana sy ny fahamarinan-toetranao amin’ny fitandremana ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra.

Sary
fanasan’ny Tompo

Fisoronana sy drafitr’ Andriamanitra

Andriamanitra dia tia antsika sy mahafantatra antsika mihoatra noho ny itiavantsika sy ahafantarantsika ny tenantsika. Nomena ny fahefan’ny fisoronany mba hitahiana ny zanany rehetra. Mihazona ny fisoronana ireo rahalahy mendrika, saingy tsy izy ireo no fisoronana. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny fisoronana dia “manan-danja amin’ny [vehivavy] tsy misy hafa amin’ny maha-manan-danja izany ho an’ny lehilahy.” Ny fisoronana dia manome ny vehivavy sy ny lehilahy fahafahana “mahazo … ny harena ara-panahy rehetra natokan’ny Tompo ho an’ireo zanany.”1

Sary
zatovolahy sy zatovovavy eo amin’ny solosaina

Miara-manompo

Ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, isika dia mifanoro hevitra ao anatin’ny filankevitra rehefa miara-manompo. Ao amin’ny filankevitra ataontsika, ireo mpitarika dia mikatsaka hevi-baovao sy hevitra avy amin’ny rehetra, anisan’izany ny zatovovavy sy ny zatovolahy. Amin’ny toe-javatra tsirairay, dia mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa isika ary mahita fahombiazana bebe kokoa eo amin’ny fanompoana ny Tompo rehefa manome lanja ny fandraisan’ny tsirairay anjara sy miara-miasa, toy ny mpiray tampo ao amin’ny asany.

Ao amin’ny paroasy sy sampana misy antsika dia mitarika kilasy sy kôlejy ny zatovovavy sy ny zatovolahy. Ao amin’ny filankevitry ny zatovo ao amin’ny paroasy, ireo zatovo mpitarika ao amintsika dia miara-manampy ny zatovo tsirairay hifandray amin’ny lanitra sy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary ireo zatovo hafa. Amin’ny maha-mpiara-manompo amin’olon-dehibe azy ireo, ny zatovolahintsika sy ny zatovovavintsika dia manolo-tanana sy mitahy olona maro. Ao amin’ny fanompoantsika, isika rehetra dia miara-mijoro.

Sary
zatovolahy sy zatovovavy miara-manompo

Tena fitahiana tokoa izany hoe zatovolahy sy zatovovavy manompo amin’ny maha-vavolombelon’ireo ôrdônansin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izany. Ianareo no vavolombelon’ny batisa, na ho an’ny batisan’ny velona na ho an’ny batisan’ny razambe any amin’ny tempoly. Manompo any amin’ny toerana hafa ao amin’ny tranon’ny Tompo koa ianareo.

Ireo fitahian’ny fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra

Ny zatovovavy tsirairay sy ny zatovolahy tsirairay dia manao fanekempihavanana masina manokana amin’ Andriamanitra. Rehefa hajaina amim-pahatokiana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra dia mitondra ny fitahiany, mihoatra noho izay azontsika eritreretina. Ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ Andriamanitra dia afaka manamasina ny faniriantsika sy ny asantsika. Ny fanekempihavanana ataontsika sy ny Sorompanavotan’i Kristy dia afaka manampy antsika ho tonga tahaka ny zanak’ Andriamanitra, manetry tena, miaritra ary feno fitiavana (jereo ny Môzià 3:19). Manomboka amin’i Jesoa Kristy isika amin’izay rehetra ataontsika. Izy no safidintsika voalohany amin’ireo safidy maro ataontsika, ary mametraka Azy ho lohalaharana amin’ny safidy tsirairay ataontsika.

Sary
Jesoa Kristy

Jereo ny Mpamonjy

Afaka miaina fifaliana sy fahatsapan-javatra tsara ao am-ponao ianao rehefa mametraka an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fianaranao ny filazantsara, ny asa fanompoana, ny fiaraha-mientana, sy ny fivoaran’ny tena manokana ary rehefa misafidy ny tsara ianao. Ny ezaka ataonao mifantoka amin’i Kristy dia mety hahafinaritra sy hitondra soa rehefa manampy ny hafa amin’ny fangorahana sy fitiavana marina ianao.

Misy zavatra miavaka mitranga rehefa tia ny Tompo ny zatovolahy sy zatovovavy ary miara-manompo ao anatin’ny firaisan-kina sy filaminana. Mitranga izany ao amin’ny seminera sy ny fiaraha-mientana ataon’ny tanora ary ny HZM.

Sary
zatovovavy

Amim-pitiavana tsy manam-petra no hanaingan’ny Raintsika any An-danitra ny zatovovavy sy ny zatovolahy tsirairay mba “hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33).

Tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hanampy sy hitahy anao Izy Ireo mba ho tena sambatra. I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no aoka hofidinao voalohany. Matokia an’ Andriamanitra ary aoka ianao ho iray ao amin’i Jesoa Kristy miaraka amin’ireo manodidina anao. Amin’ny maha-zanaka malalan’ Andriamanitra anao dia afaka mifandray sy ho anisan’ny vondron’ny Olomasina izay Fiangonany naverina tamin’ny laoniny ianao, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Ny maha-ianao anao sy izay ahatongavanao dia ilaina eto amin’ity izao tontolo izao ity ankehitriny. Lehibe ny fiovana azonao entina ao amin’ny fianakavianao, ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, ary eo amin’izao tontolo izao.

Ao amin’i Jesoa Kristy, ny zavatra tsara rehetra dia azo tanterahina. Ao amin’i Jesoa Kristy, ny zavatra marina rehetra dia ho tanteraka, amin’ny fotoana sy ny fomban’ Andriamanitra. Amin’ny maha-iray amin’ireo vavolombelony manokana ahy dia mijoro ho vavolombelona sy mampanantena izany aho.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ôkt. 2019 ( Liahona, nôv. 2019, 78).

Hamoaka printy