2023
Misafidy ny hanompo
Septembra 2023


“Misafidy ny hanompo” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy

Mizara ny fomba nanomezan’i Kristy hery azy ireo ireo zatovo mba hanaovana zavatra sarotra (jereo ny Filipiana 4:13).

Misafidy ny hanompo

Sary
zatovolahy

Naniry ny hanao asa fitoriana foana aho, saingy rehefa feno 18 taona aho dia nanomboka ny valanaretina maneran-tany. Tsy nahatsapa fahavononana ny hanompo aho, ka nanomboka nianatra tany amin’ny oniversite ary nahazo vatsim-pianarana tena tsara. Olona maro no nanoro hevitra ahy fa tsy tokony handeha hanao asa fitoriana aho. Tsapako ho toy ny very tsikelikely ny faniriako hanompo.

Saingy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany avy eo dia nilaza ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Raha mbola ao amin’ny sokajin-taona afaka manao asa fitoriana ianao kanefa mbola tsy nanompo noho ny valanaretina maneran-tany na noho ny antony hafa, dia manasa anao aho hanompo amin’izao fotoana izao.”1 Rehefa nilaza ny teny hoe “amin’izao fotoana izao” izy, dia nahatsapa aho fa toy ny miresaka amiko ireny izy, fa tsy maintsy manao asa fitoriana aho izao. Nanomboka tamin’io andro io aho dia nivavaka momba izany ary nahazo fanamafisana fa tonga ny fotoana hanompoako ny Tompo.

Nahazo fanakianana be dia be momba ny fanapahan-kevitra nataoko aho. Nofoanana mihitsy aza ilay vatsim-pianaranako. Ampy anefa ny tanjaky ny faniriako handeha ka tsy nisy dikany ireo zavatra ireo. Voantso hanompo tany amin’ny Misiônan’i Guatemala Quetzaltenango aho. Tena miavaka izany satria nofehezina mandrakizay tany Guatemala ny ray aman-dreniko.

Raha toa ka manontany tena ianao raha tokony hanao asa fitoriana dia mbola tsy tara izao! Matokia hatrany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hitarika antsika Izy Ireo ary hitahy antsika amin’ny zavatra tsy azontsika sary an-tsaina .

Enoc M., République Dominicaine

Hamoaka printy