2023
Rehefa misy olona akaikin’ny fo mandalo tsy fahasalamana ara-tsaina
Septembra 2023


“Rehefa misy olona akaikin’ny fo mandalo tsy fahasalamana ara-tsaina,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Fanampiana eo amin’ny fiainana

Rehefa misy olona akaikin’ny fo mandalo tsy fahasalamana ara-tsaina

Ireto misy hevitra dimy tokony hotadidiana rehefa te hanampy olona tratran’ny fahaketrahana, na tebiteby, na olana ara-pihetseham-po hafa ianao.

Sary
vehivavy manao famantarana ny fo amin’ny tanany

Sary nataon’i Toby Newsome

Mety ho sarotra ny mahita namana na olona ao amin’ny fianakaviana miaina fahaketrahana, tebiteby, na olana ara-pahasalamana hafa. Mety te hanao zavatra hanampiana ianao nefa tsy azonao antoka hoe inona.

Ireto misy hevitra vitsivitsy tokony hotadidiana rehefa mandinika ny fomba hanampiana olona iray miady amin’ny tsy fahasalamany ara-tsaina ianao:

1. Miezaha miresaka amin’izy ireo.

Sary
zatovovavy miresaka amin’ny zatovolahy iray malahelo

Raha manontany tena ianao hoe, inona no tena tsara ny miresaka ve sa ny manalavitra? Ny valiny dia hoe: miresaha mihitsy. Ny fifandraisana ara-tsôsialy akaiky dia tena manampy ny olona miady amin’ny tsy fahasalamana ara-tsaina. Mifandraisa amin’izy ireo. Ataovy izay hifaneraserana amin’izy ireo. Mety ho zavatra tsotra sy mahazatra izany, saingy miresaha.

2. Aza manome torohevitra raha tsy hoe mangataka izany aminao izy ireo.

Sary
zatovolahy mifamihina

Raha misy olona tsy nangataka ny fanampianao, dia aza manomboka manome azy ireo torohevitra. Mandra-pangatahana fanampiana avy aminao, dia mifantoha fotsiny hoe maneho finamanana, miraharaha, ary fiahiana marina.

3. Aoka ianao ho olona malemy fanahy, mijery ny lafy tsaran-javatra ary mangoraka.

Sary
zatovovavy mitondra voninkazo

Rehefa mangataka fanampiana aminao ny olona iray dia araho ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Mivavaha amin’ny Ray any An-danitra mba hahazo fitaomam-panahy. Aoka ianao ho mpampahery. Miresaha moramora amin’izy ireo. Mitenena zavatra tsara. Manehoa fahatakarana an-tsaina sy fangorahana. Ampahafantaro azy ireo fa manohana azy ireo ianao ary eo anilany raha misy hitadiavany anao. Amporisiho moramora izy ireo hitady fanampiana avy amina olona matihanina misahana izany.

4. Manàna faharetana ary mikiriza.

Sary
zatovovavy sy zatovolahy mipetraka

Ny olona manana olana indraindray dia mety tsy misokatra amin’olona na mankasitraka. Saingy aoka ianao hanam-paharetana. Miaraha aminy. Tena tsy mahasalama azy ireo ny mitoka-monina. Aza misintaka tanteraka raha toa ka tsy mamaly amin’ny fomba tianao hamaliany izy ireo.

5. Karakarao koa ny tenanao.

Sary
zatovovavy mihazakazaka miaraka amin’ny alika misy tady

Ataovy izay hahitanao fifaliana eo amin’ny fiainanao. Tohizo ny vavaka manokana ataonao sy ny fandalinanao ny soratra masina. Mankanesa any amin’ny tempoly. Manaova karazan-javatra hafa ankafizinao. Aza avela hanototra ny fiainanao ny adin-tsaina na ny tebiteby izay iainan’ny olona akaikin’ny fonao. Mangataha fanampiana amin’ny hafa raha mila izany ianao.

Hamoaka printy