2023
Inona no azoko atao raha mahatsapa aho fa tsy manana traikefa ara-panahy?
Septembra 2023


“Inona no azoko atao raha mahatsapa aho fa tsy manana traikefa ara-panahy?” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Fanontaniana sy valiny

“Inona no azoko atao raha mahatsapa aho fa tsy manana traikefa ara-panahy?”

Manaova fisaintsainana, manoràta ary mandiniha

Sary
zatovovavy

“Amin’ny fiafaran’ny andro dia maka fotoana hisaintsainana sy hanoratana ao amin’ny diariko momba ireo traikefa ara-panahy azoko tamin’io andro io aho ary mandinika momba izany. Mahatsapa fiadanana aho isaky ny manao izany. Mampahatsiahy ahy koa ny tokony hikatsahana traikefa ara-panahy isan’andro izany.”

Kianna G., 16 taona, Zamboanga del Norte, Philippines

Mangataha amin’ Andriamanitra

Sary
zatovolahy

“Ny famakiana tsy tapaka ny soratra masinao sy ny fivavahanao isan’andro dia fomba tsara hanehoana amin’ Andriamanitra fa te hanana traikefa ara-panahy ianao. Raha mahatsapa ianao fa tsy manana traikefa ara-panahy, dia mangataha amin’ Andriamanitra amim-pahatsorana mba hanampy anao hahatsikaritra izany. Tia anao Izy ary hamaly ny vavaka ataonao rehefa mikatsaka ny hanao ny anjaranao ianao.”

Elijah C., 15 taona, Utah, États-Unis

Manàna faharetana

Sary
zatovovavy

“Manàna faharetana. Tsy hitovy amin’ny hafa foana ny zavatra hiainanao.”

Isabella F., 16 taona, São Paulo, Brésil

Iaino ny filazantsara

Sary
zatovovavy

“Hahazo traikefa ara-panahy isika amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina, ny fihainoana ny tenin’ny mpaminany, ny fifadian-kanina, ny fivavahana, ny fandehanana any amin’ny tempoly ary ny fanompoana ny hafa. Ireo zavatra ireo dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’i Kristy sy ho mora mandray kokoa ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina izay mitondra fiadanana ho antsika.”

Nellie R., 16 taona, Hidalgo, Mexique

Henoy tsara

Sary
zatovovavy

“Ilaintsika tsaroana mandrakariva ny fihainoana akaiky ireo bitsiky ny Fanahy Masina. Afaka mahazo azy ireo amin’ny alalan’ny zavatra faran’izay bitika isika. Na dia kely aza izy ireo dia afaka manakoako hatrany amin’ny mandrakizay.”

Melissa A., 14 taona, Paraíba, Brésil

Hamoaka printy