2023
Avelao fotsiny any izany, ary mihainoa
Septembra 2023


“Avelao fotsiny any izany, ary mihainoa” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Avelao fotsiny any izany, dia mihainoa

Nanana drafitra hanatrarana ireo nofiko aho. Saingy rehefa navelako tany izany ka namela ny Tompo hitarika ny lalako aho dia voatahy tamin’ny fomba tsara.

Sary
amin’ny endrika mitsivalana

Sary nataon’i Michael Mullan

Vao 17 taona monja aho dia nifindra tany San Francisco, Californie, États-Unis, mba hianatra any amin’ny sekoly mampianatra momba ny zavakanto. Ny ho lasa mpanao sary ho an’ny Disney no mba nofinofiko.

Nianatra zavatra betsaka kokoa ankoatra ny zavakanto aho tany amin’ny oniversite. Nianatra aho hoe, iza moa ny tenako ho an’ny Ray any An-danitra. Tsy tany an-trano intsony aho. Tsy namoha ahy mba hitondra ahy any am-piangonana isaky ny alahady ny ray aman-dreniko . Tsy ho nisy nahafantatra raha toa ka niaina ny filazantsara aho na tsia. Saingy fantatro fa nilaiko Izy. Nitady Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao anatin’ny boky firaketana sy fizahana adiresy sy nomeraon’ny telefaonina aho. Rehefa niditra tao amin’ny trano fiangonana aho ary nandre ilay “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76) dia toy ny hoe tao an-trano izany. Nanomboka tsapako ny dikan’ny filazantsara ho ahy sy ny zavatra tena tiako.

Ataovy lohalaharana eo amin’ny fiainanao ny Tompo

Tamin’izany fotoana izany dia naniry ny hampiditra ny Raiko any An-danitra ao anatin’ny zavatra rehetra nataoko aho. Ohatra, nanomboka nanontany Azy aho hoe inona no heviny momba ny drafitra nataoko mikasika ny asa hataoko ary aiza no toerana tokony hisy ahy. Rehefa nivavaka sy nametraka ireo fanontaniana ireo aho dia nanomboka nahatsapa fa mila mandeha any amin’ny toeran-kafa aho.

Somary narary ny foko. Efa nametraka ny nofiko rehetra sy ny fifantohako tamin’ilay drafitra nataoko aho. Nihevitra aho fa fantatro tsara ny toerana halehako sy izay hataoko. Saingy tamin’izay fotoana izay fantatro fa tiako ho lohalaharana eo amin’ny fiainako ny Tompo, ary izany dia nanan-danja tamiko mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra. Na dia fantatro aza fa mety tsy hitovy amin’izay neritreretiko ny lalako, dia nahatsapa ny fitiavany ahy aho ary nitoky tamin’ny fahendreny.

Notarihina ho any amin’ny Oniversite Brigham Young–Idaho sy ny Oniversite Brigham Young tao Provo, Utah aho mba hamita ny fahazoako mari-pahaizana momba ny taosary. Taloha kelin’ny nahazoako diplaoma dia voaray hanao fiofanana fanatevenam-pahaizana tao amin’ny orinasa iray mpamokatra jeux vidéo teo an-toerana aho. Herintaona teo ho eo taty aoriana, rehefa noraisina ho mpiasa raikitra aho, dia novidin’i Disney tampoka ilay orinasa mpamokatra jeux vidéo, izay nitondra fahafahana vaovao manao zavatra azo araraotina sy fivoarana.

Rehefa avelanao any izay zavatra heverinao fa ilainao ananana dia hanome anao amin’ny fotoana mahamety azy ilay zavatra tena hitondra fifaliana ho anao ny Tompo. Tsy fantatrao mihitsy hoe aiza no hitondran’ny Tompo anao. Avelao fotsiny any izany, ary mihainoa.

Mifantoha amin’izay laharam-pahamehana

Nandritra ny fianarako dia sahirana aho teo amin’ny fanenjehana ny fanatrehana ireo fotoam-pianarana sy ny fanaovana enti-mody ary ny andraikitry tany am-piangonana. Tsy maintsy nandinika aho hoe inona avy ireo laharam-pahamehako. Tokony handeha hitsidika olona ve aho mba hanompo azy ireo, sa hianatra ho an’ity fitsapam-pahaizana ity? Hamaky ny soratra masina ve aho izao, sa hamita an’ity enti-mody ity?

Isaky ny nametraka ny Tompo ho lohalaharana aho ary nanao ny asa niantsoany ahy, dia nilamina foana ny zava-drehetra, ary avy eo mbola nanam-potoana malalaka koa aza aho. Mitazona mandrakariva ireo fampanantenany Izy. Rehefa mametraka ny Tompo ho lohalaharana isika, dia mipetrapetraka ho azy ny zava-drehetra.

Rehefa nianatra tany amin’ny sekoly fanohizana fianarana ambony aho dia niatrika safidy nitovy tamin’izany. Filohan’ny Zatovovavy tao amin’ny paroasy aho tamin’izany. Indray andro dia tsy maintsy nisafidy aho, na hianatra ho an’ny fanadinana na hanampy ireo zatovovavy hanomana fiaraha-mientana iray. Nandeha niaraka tamin’ireo zatovovavy aho. Nivavaka sy nianatra araka izay azoko natao aho nandritra ny fotoana malalaka nananako. Afa-panadinana ihany aho, ary nahazo naoty tsara lavitra noho ny neritreretiko.

Avelao Izy hitarika anao

Hitarika anao ny Ray any An-danitra. Tia anao izy ary fantany tsara ny toerana misy anao. Fantany tsara izay zavatra tena hitahy anao sy ny fotoana tokony hitrangan’izany.

Teo amin’ny fiainako dia nisy ihany ny fiovan-javatra sy ny fifindrafindrana. Saingy nandray anjara tao anatin’izany foana Izy. Rehefa nanaraka ny fitarihany aho dia nilamina tsara ny zava-drehetra. Tsy araka ny niheverako azy, saingy tamin’ny fomba tsara fotsiny.

Te handray anjara eo ao amin’ny fiainantsika Izy. Raha afaka mamela Azy ho ao amin’ny fiainantsika fotsiny isika, dia hisy fahagagana mahatalanjona miandry antsika tsirairay avy. Inona ihany koa no zavatra nomaniny ho anao izay tsy hitanao akory?

Hamoaka printy