2023
Lesona telo avy tamin’ireo taom-pahatanoran’i Joseph Smith
Septembra 2023


“Lesona telo avy tamin’ireo taom-pahatanoran’i Joseph Smith,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Lesona telo avy tamin’ireo taom-pahatanoran’ i Joseph Smith

Jereo izay azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny Mpaminany 200 taona lasa izay.

Sary
zatovolahy

Efa nahatsapa ve ianao fa sarotra ny mampifandray ny zavatra iainanao amin’ny zavatra niainan’ny olona taloha? Efa ela be izy ireo no niaina, noho izany afaka mampianatra anao zavatra momba ny fiainanao tokoa ve izy ireo? Eny! Ohatra lehibe amin’izany i Joseph Smith. Tamin’ny faha-18 taonany dia nianatra zavatra vitsivitsy momba ny fahazoana valim-bavaka sy ny fifandraisany amin’ny Rainy any An-danitra izy. Afaka manampy anao amin’izao fotoana izao ireo lesona ireo.

Lesona #1: Indraindray dia mitaky fotoana ny fahazoana valiny.

Tsy tonga vetivety foana ny valim-bavaka. Tsy mora ny miandry, indrindra rehefa misy valiny haingana saika ho an’ny fanontaniana rehetra ao amin’ny internet .

Raha mahatsapa ianao fa ela vao mamaly anao Andriamanitra dia tsy ianao irery no miaina izany. 12 taona i Joseph Smith fony izy nanomboka nieritreritra ny momba “ireo ahiahy lehibe indrindra momba izay hahasoa ny fanahi[ny] tsy mety maty.”1 Nanam-panontaniana maro momba ny fahamendrehany manokana sy ny faharatsian’izao tontolo izao izy nandritra ny roa taona manaraka. Izany dia nitaky fisaintsainana sy fandalinana ny soratra masina ary fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana ireo nandritra ny roa taona vao niseho taminy tao amin’ilay Ala kely Masina Andriamanitra sy i Jesoa Kristy.

Mitovy amin’izany koa ny antsika. Rehefa manana fanontaniana isika, dia mety haharitra andro, na volana, na taona maro mihitsy vao hahazo valiny isika. Saingy tsy maninona izany. Tena manan-danja ny ezaka ataontsika eo am-piandrasana. Tsarovy ny zavatra nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ilay voa dia tsy maintsy karakaraina ary tsy maintsy miandry izany hitombo isika.”2

Sary
I Joseph Smith namaky ny epistilin’i Jakoba

Lesona #2: Fantatr’ Andriamanitra amin’ny anarantsika isika.

Talohan’ny faha-18 taonany dia efa notsidihan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny anjely Môrônia i Joseph. Tena mahatalanjona izany. Ary ireo olona avy any an-danitra ireo dia samy nahafantatra ny anaran’i Joseph avokoa. Nahafantatra azy manokana izy ireo!

Mahafantatra anao manokana koa Andriamanitra. Zanany ianao ary fantany ny anaranao. Nampianatra ity fahamarinana ity momba ireo zavatra nohariany Andriamanitra: “Fa ny zava-drehetra dia voaisa ho Ahy, fa Ahy ireny ary fantatro ireny” (Mosesy 1:35).

Anisan’ny antony nananan’i Joseph fahatokiana hanao izay nasaina nataony ny fahatakarany fa zanak’ Andriamanitra izy, izay mahafantatra azy manokana.

Sary
I Joseph Smith tao amin’ilay Ala kely Masina

Lesona #3: Rehefa mibebaka isika dia manokatra ny tenantsika hiaina zavatra ara-panahy.

Iray amin’ireo antony lehibe nanosika an’i Joseph handeha ho any amin’ilay Ala kely Masina ny fibebahana amin’ny fahotany. Izany ihany koa no antony nivavahany tamin’ilay alina nisehoan’ny anjely Môrônia taminy: “ho famelana ny fahota[ny] sy ny hadala[ny] rehetra” (Joseph Smith—Tantara 1:29). Izany dia mampianatra antsika zavatra roa:

Voalohany, raha nanao fahadisoana isika dia tsy tokony hieritreritra fa tsy mendrika ny hivavaka. Nanao “fahotana sy hadalana” i Joseph, kanefa mbola fantany fa afaka mivavaka sy mahazo famelan-keloka izy.

Faharoa, rehefa mibebaka isika dia afaka mahatsapa ny Fanahy amin’ny fomba mahery kokoa. Nanazava ny Loholona Jörg Klebingat ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Mitombo ny fahatokian-tena ara-panahy rehefa mibebaka amin-kitsim-po sy amim-pifaliana ianao.”3

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ny fibebahana dia manampy antsika hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy. Rehefa mibebaka isika dia manokatra ny varavaran’ny lanitra. “Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy.”4

Koa raha mila mibebaka amin’ny zavatra iray ianao dia ataovy izany! Tsy hoe hitondra fiadanana ho anao fotsiny izany ary hanampy anao hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy fotsiny ihany, fa hanampy anao koa hahatsapa ny Fanahy amin’ny fomba mahery kokoa sy hahazo valim-bavaka.

Mety efa taloha ela be no niainan’i Joseph Smith, saingy mbola afaka manampy anao amin’izao fotoana izao ireo lesona nianarany fony izy zatovo. Antony iray hafa fotsiny tokony hanehoana fankasitrahana ny Mpaminany Joseph Smith izany.

Hamoaka printy