2023
Ilay ondry very
Septembra 2023


“Ilay ondry very,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Ny fanoharan’ny Mpamonjy

Ilay ondry very

(Lioka 15:4–7)

Sary
Peta-drindrina: Ilay ondry very

Hisintona ny endrika PDF

Nisy mpiandry ondry tsara nanana ondry miisa 100. Very ny iray tamin’izany.

Navelany ny 99 dia nandeha nitady ilay ondry iray very izy.

Faly izy rehefa nahita an’ilay ondry. Nentiny teny an-tsorony nody ilay izy, sady nifaly izy.

Nantsoiny ireo namany sy ireo mpifanolobodirindrina taminy. “Avia hiara-mifaly amiko,” hoy izy “fa efa hitako ilay ondriko very” (Lioka 15:6).

Inona no dikan’izany?

Ireo izay manota dia tahaka ny ondry very. Nampianatra ny Mpamonjy fa misy fifaliana any an-danitra rehefa misy mpanota iray mibebaka (jereo ny Lioka 15:7).

Hamoaka printy