2023
Afaka mijanona tsy mihoatra ny sori-dalana aho
Septembra 2023


“Afaka mijanona tsy mihoatra ny sori-dalana aho,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy

Mizara ny fomba nanomezan’i Kristy hery azy ireo ireo zatovo mba hanaovana zavatra sarotra (jereo ny Filipiana 4:13).

Afaka mijanona tsy mihoatra ny sori-dalana aho

Sary
zatovovavy mihazakazaka ao anatin’ny lalam-boasoritra hihazakazahana

Hatramin’ny nanombohako ny fifaninana hazakazaka, dia efa nofinofiko ny handresy ny zava-bita tsara indrindra tany an-tsekoly amin’ny hazakazaka 1,61 kilaometatra. Avy eo tany amin’ny faran’ity taom-pilalaovana ity dia nihazakazaka ilay kilaometatra tao anatin’ny dimy minitra aho, ka nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra tamin’ny telo segondra mahery.

Henonay anefa ny ampitson’iny fa tsy noraisina ny zava-bitako. Nanazava ireo tompon’andraikitra fa izaho dia nanao dingana telo tao anatin’ilay lalam-boasoritra hihazakazahana, izay nahatonga ahy nihintsana tao anatin’ilay hazakazaka. Nilaza ny mpanazatra ahy fa tafavoaka an’ilay sori-dalana aho satria natosiky ny mpihazakazaka hafa. Hoy ilay tompon’andraikitra hoe, “Mety tsy fahadisoany ilay hoe nisy nanosika hivoaka izy, saingy fahadisoany ny nanakaiky loatra ny tsipiky ny sori-dalana misy azy.” Lasa nandeha aho ary nahatsapa ho toy ny hoe nesorina tamiko tsy ara-drariny ny zava-bitako.

Nijery horonan-tsary iray izay nampitaha ny fijanonana ao anatin’ny sori-dalana eo amin’ny fanatanjahan-tena sy ny fitandremana ny didy izahay ny alahady manaraka tao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy.1 Nandritra ny lesona dia nipetraka teo aho, tezitra noho ny fampahatsiahivana fa tsy nahomby aho.

Ny ampitson’iny rehefa nihazakazaka nanodidina ilay lalam-boasoritra hihazakazahana aho, dia niondrika ary nahatsikaritra fa nihazakazaka tao amin’ny tsipiky ny sori-dalana anatiny aho. Ary indraindray aho dia niditra tao anatiny, araka ny nolazain’ilay tompon’andraikitra. Tonga dia nijanona tsy nihazakazaka aho, ary nanetry tena. Lasa nahazo aina loatra aho teo amin’ny toerana nihazakazahako ka tsy hitako intsony ireo loza tao anatiny.

Soa ihany fa nomena fahafahana faharoa hihazakazahana aho herinandro vitsivitsy taty aoriana. Nampanalavitra ny tenako an’ilay tsipika anivo aho ary nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra tao amin’ilay sekoly, ka tamin’ity indray mitoraka dia tao amin’ny faritra tokony hisy ahy aho.

Izany zavatra niainako izany dia nahatonga ahy hieritreritra hoe tena nanakaiky ny faritra ivelan’ny sasany tamin’ireo didy. Saingy noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia omena fahafahana iray hafa foana aho rehefa mibebaka.

Raha ny momba ny didy dia tokony hanalavitra ilay tsipika mametra isika ary hanao izay rehetra azontsika atao mba hijanonana ho ao anatiny. Saingy feno fankasitrahana aho fa rehefa manao fahadisoana isika dia mamela antsika hibebaka sy hanandrana indray ny Mpamonjy.

Raygan P., Utah, États-Unis

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Stay within the Lines,” (horonan-tsary ho an’ny zatovo), ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy