2023
Niainga avy amin’ny epistily nankany amin’ny fampitana mivantana
Septembra 2023


“Niainga avy amin’ny epistily nankany amin’ny fampitana mivantana,” Ho zatovo mahery! Aog. 2023.

Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Niainga avy amin’ny epistily nankany amin’ny fampitana mivantana

Efa nivelatra ny fifandraisana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, saingy tsy niova ny tanjona.

Sary
I Paoly manoratra epistily iray

Efa ho 2.000 taona lasa izay

Fony Izy teto an-tany dia nanangana ny Fiangonany i Jesoa Kristy. Taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy niakarany tany an-danitra, dia nitarika ny Fiangonana tamin’ny fahefana sy ny fanambarana ary ny fitaomam-panahy nomeny azy ireo ny Apôstôliny.

Tamin’izany andro izany dia matetika ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana no nifandray tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany amin’ny toerana samihafa tamin’ny alalan’ny epistily (taratasy).

Ny Testamenta Vaovao dia ahitana epistily nosoratan’i Paoly, i Petera, i Jaona, i Jakoba ary i Joda. Ireo taratasy ireo dia nosoratana tamin’ny tanana, naterina an-tanana, nadika tamin’ny tanana, ary novakina mafy.

Matetika ireo mpitarika ny Fiangonana ireo no nanana tanjona mitovy rehefa nanoratra ireo taratasy ireo. Izy ireo dia nikatsaka ny:

  • Hijoro ho vavolombelona sy hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Hamporisika, hanentana ary hankahery.

  • Hampahatsiahy ireo didy sy fanekempihavanana.

  • Hiresaka momba ireo olana misy.

  • Hampitandrina momba ireo loza.

  • Hanitsy izay lesoka mety ho tafiditra tao amin’ny Fiangonana.

  • Hampiray hina ny Fiangonana.

Sary
Russell M. Nelson

Amin’izao fotoana izao

Arosoy 2000 taona aty aoriana eo ho eo dia ho hitanao fa betsaka ny zavatra niova, saingy misy zavatra mbola tsy niova.

Naverin’i Jesoa Kristy teto an-tany tamin’ny laoniny ny Fiangonany, ary misy mpaminany sy apôstôly indray mitarika izany. Saingy hatramin’ny andron’ny epistily dia nandroso ny teknôlôjian’ny fifaneraserana, niainga avy tamin’ny fanontam-printy nankany amin’ny onjam-peo, ary nankany amin’ny fahitalavitra ka hatrany amin’ny internet.

Ankehitriny ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia afaka mizara hafatra indray mandeha ho an’ny Fiangonana iray manontolo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Alefa amin’ny alalan’ny zanabolana mihitsy aza izany ary alefa mivantana indray mandeha an-jotra indray amin’ny fiteny maro. Afaka andro vitsivitsy, dia alefa an-jotra amin’ny fiteny maro ny lahatsoratra, ary misy dikanteny vita printy alefa eran-tany.

Rehefa miomana amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ho avy ianao dia mety hieritreritra momba ireo epistilin’ny Testamenta Vaovao ireo. Tamin’ny vanim-potoana hafa ireo, ary tena tsy hafa ny teknôlôjia tamin’izany. Saingy ny hafatry ny fihaonambe dia manatanteraka tanjona manan-danja mitovy. Rehefa miaina ireo hafatry ny fihaonambe ianao dia mety hieritreritra ny fomba entin’izany:

  • Mijoro ho vavolombelona sy mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Mamporisika, manentana ary mankahery.

  • Mampahatsiahy ireo didy sy fanekempihavanana.

  • Miresaka momba ireo olana misy.

  • Mampitandrina momba ireo loza.

  • Manitsy izay lesoka mety ho tafiditra tao amin’ny Fiangonana.

  • Mampiray hina ny Fiangonana.

Hamoaka printy