2023
Mpaminany manaraka mpaminany
Septembra 2023


“Mpaminany manaraka mpaminany,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Mpaminany manaraka mpaminany

Na iza na iza dia afaka mahita fitahiana amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany, na dia ny Apôstôly aza.

Angatahina tsy tapaka mba hanaraka ny mpaminany isika. Mety hanontany tena anefa ny sasany hoe nahoana no tena zava-dehibe ny fanarahana ny feon’ny mpaminany.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2017, ny Filoha Thomas S. Monson, ilay mpaminany tamin’izany fotoana izany, dia nangataka ny mpikamban’ny Fiangonana mba handalina, fa tsy hamaky fotsiny, ny Bokin’i Môrmôna isan’andro. Ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha Henry B. Eyring dia samy nanaraka ny torohevitry ny mpaminany ary niresaka momba ny zava-nitranga.

Apôstôly mpankatò

Sary
Russell M. Nelson

Hoy ny Filoha Nelson hoe: “Niezaka nanaraka ny torohevitry ny [Filoha Monson] aho. Ankoatra ireo zavatra natao hafa dia nataoko lisitra ny momba ny hoe, inona ny Bokin’i Môrmôna, inona no hamafisiny, inona no laviny, inona no tanterahiny, inona no hazavainy, ary inona no hambarany. Ny mandalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’izany fijery izany dia fanao tena nahazoam-pahalalana sy fankaherezana mihitsy!1

Nanohy ny fanazavany ny Filoha Nelson fa nametraka fanontaniana mitovy amin’izany tamin’ny hafa izy ary nahita fa nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’olona maro dia maro ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Monson. Mitarika antsika rehetra amin’ny alalan’ny mpaminanintsika sy ny soratra masina ary ny fanambarana ho an’ny tena manokana ny Tompo.

Apôstôly mahatoky

Sary
Henry B. Eyring

Hoy ny Filoha Eyring hoe: “Namaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro aho nandritra ny 50 taona mahery. Noho izany, dia afaka nieritreritra tsara mihitsy aho angamba fa natao ho an’olon-kafa ny tenin’ny Filoha Monson. Kanefa, tahaka ny maro aminareo, izaho dia nahatsapa fa nanasa ahy hanao ezaka lehibe kokoa ny famporisihan’ny mpaminany sy ny fampanantenana nataony.”

Notohizan’ny Filoha Eyring izany hoe: “Ny fanarahana ny torohevitry ny Filoha Monson dia nisy fiantraikany roa hafa mahatalanjona teo amiko: Voalohany, ny Fanahy nampanantenainy dia niteraka fanantenana zavatra tsara momba ny zavatra ho vy, eny fa na dia toa mitombo aza ny korontana eto amin’izao tontolo izao. Ary faharoa, ny Tompo dia nanome ahy sy anao fahatsapana lehibe kokoa ny fitiavany an’ireo izay ory.”2

Ny olona rehetra

Ny rehetra dia afaka ary tokony hanaraka ny torohevitry ny mpaminany avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Na aiza na aiza misy anao eo amin’ny dianao ara-panahy dia afaka mivoatra foana ianao, na Apôstôly ianao, na olona vao niova fo, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy anao. Tsy mampihena ny filantsika fanambarana manokana izany. Fomba iray hafa ahafahan’ Andriamanitra mitahy antsika izany. Raha toa ka na ny Apôstôly aza afaka mahita fitahiana fanampiny amin’ny alalan’izany fomba izany, dia azo antoka fa afaka mahita fitahiana fanampiny koa isika sisa ambiny.

Hamoaka printy