2023
Ahoana no fomba hiomananao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Septembra 2023


“Ahoana no fomba hiomananao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Miomana ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Ahoana no fomba hiomananao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Nahazo tombontsoa betsaka avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran tany ireto zatovo ireto. Ahoana no ahafahanao miomana mba hiaina zavatra manan-danja?

Te hanaraka ny mpaminany aho

Sary
zatovolahy

Nanomana ny tenako ho amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022 aho tamin’ny alalan’ny famakiana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ao amin’ny Testamenta Taloha.

Nandritra ny fihaonambe dia niresaka tamintsika ny Filoha Russell M. Nelson ary nijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny tempoly.1 Ampanantenaina any amin’ny tempoly ny fitahiana mandrakizay, ary fanahy mahafinaritra no tsapa rehefa mandeha any ianao.

Tsy mbola misy tempoly any Nicaragua, saingy nisy iray efa nambara. Manantena aho fa afaka ny hihaino ny tenin’ny Filoha Nelson ary handeha any amin’ny tempoly rehefa vita izany.

Rehefa nijery ny fihaonambe aho dia nahatsapa ny Fanahy nijoro ho vavolombelona fa teo amin’ny toerana tokony hisy ahy aho. Tsapako ho toy ny feno ny fitiavan’ Andriamanitra ny foko.

Carlos M., Nicaragua

Misy ho an’ny rehetra ny fanasitranana

Sary
zatovovavy

Talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2022 dia nisaintsaina ireo zavatra nitranga teo amin’ny fiainako vao haingana aho. Be dia be ny zavatra nanelingelina ny saiko talohan’ny fihaonambe, ary te hahatsapa fampiononana sy fiadanana ary hery aho.

Nandritra ny fihaonambe dia nilaza ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Noho ny sorompanavotan’ny Mpamonjy dia misy ny fanasitranana ho an’ny rehetra.”2

Nanome fiadanana sy fanantenana ho ahy ireo teny ireo. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, rehefa manao fahadisoana sy safidy ratsy aho dia afaka ny ho voavela sy hahatsapa fiadanana. Ary na inona na inona fanaintainana tsapako dia afaka ny ho sitrana aho. Isika rehetra dia afaka mahatsapa izany fiadanana sy fanasitranana izany rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika sy miezaka ny ho tonga tsara kokoa isan’andro.

Kaye D., Philippines

Fiomananao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana

Makà iray minitra fotsiny hiomanana amin’ny fihaonambe, dia hiaina zavatra tsara lavitra kokoa ianao. Noho izany, amin’ny fomba ahoana ary no ahafahanao miomana? Atombohy amin’ny fanoratana ireo fanontaniana anananao izany! Saintsaino ireo fanontanianao rehefa mijery ianao, ary ho gaga ianao hoe toy ny ireny miresaka matetika mivantana aminao izany ireo mpandahateny.

Hamoaka printy