2023
Fomba 4 hanamafisana orina ny fianakavianao
Septembra 2023


“Fomba 4 hanamafisana orina ny fianakavianao,” Ho zatovo mahery!, Ôkt. 2023.

Fomba 4 hanamafisana orina ny fianakavianao

Afaka manamafy orina ny fianakavianao araka izay tsara indrindra ianao amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Na mafy toy ny ahoana ary ny fianakavianao dia afaka mahazo tombony avy amin’ny hery misimisy kokoa foana. Amin’izao andro izao dia toa tsy mitsahatra mitranga ny famelezana ny fianakaviana. Mitranga izany satria fantatr’i Satana fa ny fianakaviana dia ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Raha misy zavatra azon’ny fahavalo atao hanakorontanana ny fiainam-pianakaviana dia azo antoka fa hanandrana izany izy.

Na dia tsy misy tonga lafatra aza ny fianakaviana, ny anao dia manana zavatra iray izay tsy ananan’ny fianakaviana hafa: ianao! Ary manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao miaraka aminao. Nampianatra ireo mpaminany sy apôstôly hoe: “ Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”1

Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahan’ny filazantsaran’ny Tompo manamafy orina sy mitondra fahasambarana ho an’ny fianakavianao:

  • Azo fehezina mandrakizay ny fianakaviana.

  • Afaka mankafy fotoana hiarahana ny fianakaviana, mifanompo, ary mahatsapa ho manana ny toerany sy fahatsapana ny toetrany araka an’ Andriamanitra.

  • Afaka miantehitra amin’ny herin’i Jesoa Kristy ny fianakaviana mba hamahana ireo tsy fankahazoan-kevitra sy fifandirana ary olana amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny famelana ary ny finoana.

Ireto misy fomba efatra azonao hanamafisana orina ny fianakavianao amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara:

Sary
olona mivavaka

Sary nataon’i Lai T. Sheng

1 Amporisiho ny vavaka

Lasa mafy orina kokoa ny fianakaviana rehefa miaraka mivavaka. Afaka mitondra ireo fitahian’ny fiadanana sy fitiavana ary filaminana ho an’ny fianakavianao ny vavaka. Raha manana fahazarana mivavaka ny fianakavianao dia mivavaha mba hahafantarana ny fomba azonao hanampiana ny fianakavianao hiaraka mivavaka. Aoka ianao ho vonona ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny valiny azonao.

2 Miaraha mandeha any am-piangonana.

Mianatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika any am-piangonana. Mandray ny fanasan’ny Tompo ihany koa isika ary manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa vonona ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy sy hahatsiaro Azy mandrakariva (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79).

Ny fandehanana any am-piangonana miaraka amin’ny fianakaviana dia mitondra ny tsirairay ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy mampifanakaiky ny tsirairay. Mila fanoloran-tena ny fandehanana isan-kerinandro, saingy hitahy ny ezaka ataonareo Andriamanitra. Raha misafidy ny tsy handeha any am-piangonana miaraka aminao ny fianakavianao dia fantaro fa hanamafy orina anao ny fandehananao ary hanampy anao hahita fomba hafa azonao hanamafisana orina ny fianakavianao.

Sary
trano fiangonana

3 Mitia sy manompo

Nampianatra ny Mpamonjy “ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo” (Jaona 15:12). Lazao ny fianakavianao fa tianao izy ireo, na dia efa azonao antoka aza fa fantatr’izy ireo izany. Ny fanehoana ny fitiavanao ny fianakavianao amin’ny alalan’ny teny sy ny fihetsika dia manasa ny Fanahy ho ao an-tokantranonareo.

Fomba iray manan-danja anehoana ny fitiavanao ny fanompoana ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Ary ny fiarahana manompo ny hafa dia mampifanakaiky ihany koa ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao sy amin’ Andriamanitra. Tsy voatery hikarakara hetsika fanompoana goavana ianareo. Azo atao tsotra ny fanompoana, toy ny fikarakarana sakafo ankafizina ho an’ny mpiara-monina iray. Ny fiarahana manompo amin’ny fianakaviana dia mitondra fifaliana satria araka ny vakiantsika ao amin’ny soratra masina dia: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môzià 2:17).

Sary
ankizivavy sy renibe mifamihina

4 Iaino ny filazantsara

Fianakaviana maro no ahitana olona tsy mpikamban’ny Fiangonana na nisafidy ny tsy ho any am-piangonana intsony. Raha tsy misy ny fanohanan’ny fianakaviana dia mety ho sarotra ny mandray anjara ao am-piangonana. Raha toa ka ao anatin’ny toe-javatra toy izany ny fianakavianao dia tsarovy fa afaka ny ho hery amin’ny tsara hatrany ianao amin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsara.

Avelao ho hitan’ny fianakavianao fa miaina ny zavatra inoanao ianao. Tsy hoampoizinao mihitsy fa mijery ny zavatra lazainao sy ataonao izy ireo. Hitondra ny fahazavan’ny filazantsara ho ao amin’ny fianakavianao izany. Na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra iainan’ny fianakavianao, ny ezaka tsy tapaka ataonao mba hiaina ny filazantsara dia afaka manokatra varavarana mba hahafahan’ny Fanahy mitarika sy mitaona ary mankahery ny fianakavianao ary manampy azy ireo hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Hamoaka printy