2023
Fotoana handihizana
Septembra 2023


“Fotoana handihizana,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Fotoana handihizana

Nahita fifaliana ireto tanora ireto tamin’ny alalan’ny fandresena ny tahotra sy ny fizarana ny talentany tamin’ny hafa.

Sary
zatovolahy sy zatovovavy mandihy

Sary nalain’i Cristy Powell

I Emo’onahe Y. sy Jax C., efatra ambin’ny folo taona, dia manana zavatra iray farafahakeliny iraisan’izy ireo: samy nanao dihy nandritra ny seho isan-karazany tamin’ny fihaonambe HZM tany Provo, Utah izy ireo.

Tsy mora tamin’izy ireo ny nandihy irery teo anatrehan’ny tanora an’arivony. Saingy rehefa nikatsaka ny hampivelatra sy hizara ny talentany izy ireo dia nahazo fanambarana ary afaka nivoatra tamin’ny fomba izay nanampy azy ireo “[ho tonga] tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, ary ny hahatonga ny [tenany] sy ny hafa ary izao tontolo izao ho tsara kokoa” (Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo [2019], 1).

Danse des cerceaux (fomba fandihizana mampiasa kodiaran-kazo ahodinkodina eo amin’ny valahana) iarahana amin’i Emo’onahe

Nanapa-kevitra i Emo’onahe (eh-moh-oh-nah) hizara ny talentany amin’ny fanaovana danse des cerceaux, izay ao anatin’ny kolontsaina Zanatany Amerikana niaviany. “Nilaza tamiko ny iray tamin’ireo namako nandeha tany amin’ny HZM talohako fa nanao an’io fampisehoana talenta io izy ireo ary tokony hanao fampisehoana aho,” hoy izy.

“Somary nitebiteby aho, ka niezaka ny tsy hifantoka tamin’ireo olona maro be.” Somary sarotra anefa ilay tsy mifantoka any amin’izy ireo! “Reko ny olona rehetra nihorakoraka”, hoy izy. “Tena nitabataba mafy izy ireo ka zara raha nandre ny mozika aho, hany ka zara raha naharaka ny gadon-kira!”

Niasa mafy i Emo’onahe mba hahay tsara ny danse des cerceaux. Hoy izy hoe, “Tena ela be aho vao nahay ilay dihy.” Arakaraka ny nanaovany fanazaran-tena anefa no nianarany bebe kokoa momba ny tenany.

Sary
sarina tovovavy iray manao dihin’ny Zanatany Amerikana

Fitantarana tantara amin’ny fomba izay maneho ny fananana talenta

Ny danse des cerceaux dia karazana fitantarana ny tantaram-piainana manokana. “Manomboka amin’ny cerceau iray maneho ny fiandohanao ianao, ary avy eo dia manohy manampy cerceau ianao mba hampisehoana zavatra bebe kokoa momba ny fiainanao. Afaka nahita lolo, voromahery ary tantsaha mpitaingin-tsoavaly ianao” tamin’ny fampisehoana nataoko, hoy i Emo’onahe. “Rehefa mitantara ny tantarako aho dia mahatsapa ho toy ny mitantara ny tantaran’ireo olona izay nianarako zavatra sy ireo zavatra niainako.”

I Emo’onahe dia avy amin’ny foko Cheyenne sy Arapahoe any Oklahoma, ary koa avy amin’ny foko Fort Peck Sioux sy Assiniboine. Hoy izy hoe, “Nahatsiaro tena ho tsy nitovy tamin’ny olon-drehetra aho taloha”, ary indraindray dia “nahatonga ahy ho tsy nahazo aina izany.” Fa ny danse des cerceaux dia mandray tsara ny toetra mampiavaka. Ny mpandihy tsirairay dia mamorona ny soradihiny manokana, ary “izany no mahatonga azy ho miavaka sy ho anao manokana”, hoy izy.

Afaka mampatanjaka ny talenta

Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra i Emo’onahe rehefa mivavaka sy mamaky soratra masina ary miezaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy. Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra koa izy rehefa miezaka manatsara ny talentany. “Rehefa maka ireo cerceaux sy mandihy aho dia afaka mahatsapa fifaliana.” Manoro hevitra izy hoe, “Tadiavo ireo zavatra tianao ary mitadiava olona tsara izay hanampy anao hahafahanao mampiasa ny talentanao mba hampatanjahanao ny tenanao sy ny hafa. Ny fanompoana ny hafa dia afaka manampy anao hanamafy orina ihany koa ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.”

Dihy irlandey iarahana amin’i Jax

I Jax dia natahotra mafy momba ny fampisehoana ny talentany, izay dihy irlandey, nandritra ny seho isan-karazany notontosaina nandritra ny HZM. “Tena natahotra aho. Toy ny hoe ao anaty lavaky ny bibilava ireny aho ka matahotra,” hoy izy. “Nanonona vavaka kely aho talohan’ny nijoroako teo. Mbola natahotra ihany aho, nefa nandeha ny mozika avy eo. Mody nihevitra aho hoe tsy nisy olona teo. Ary dia nanomboka nandihy aho.”

Nitsambikina i Jax ary nanetsika ny tongony tamin’ny fomba nentim-paharazana irlandey. Saingy raha nahita ny endrik’i Jax falifaly, ny ankamaroan’ny olona dia mety tsy hihevitra fa tena tsy mora ny nahatongavana teo.

Sary
sarina zatovolahy iray manao dihy irlandey

Fampivelarana talenta hoentina mandamina ny fikorontanan-tsaina

“Tena tratran’ny fikorontanan-tsaina aho tamin’ny 2020 ary saika namono tena mihitsy aza,” hoy i Jax. “Tany amin’ny hopitaly mitsabo ny aretin-tsaina aho nandritra ny iray volana. Nahafantatra aho fa voan’ny aretin’ny ati-doha mpahazo ny zaza ary nampahafantarina ahy fa autiste aho. Tena mafy tokoa izany.”

Raha vantany vao nahazo fitsaboana i Jax ho an’ny fahasalamany ara-tsaina, dia namporisika azy ny reniny mba hitady zavatra mampihetsi-batana hoentina mandamina ny adin-tsainy. Nanapa-kevitra ny hitady fanambarana manokana momba ny zavatra azony atao izy.

“Nivavaka momba izany aho ary nangataka fanampiana,” hoy izy. “Ary tsaroako fa nampianatra dihy irlandey ny nenitoako. Noho izany dia nanomboka nianatra izany aho talohan’ny fampisehoana Krismasy lehibe hataonay. Tsy maintsy nianatra dihy dimy aho tao anatin’ny tapa-bolana, izay tena nahafinaritra tokoa moa,” hoy i Jax nivazivazy. Tsy ela dia lasa fitahiana lehibe teo amin’ny fiainany ny dihy irlandey. “Tena nanampy ahy izany teo anatrehan’ny halehiben’ny fikorontanan-tsaina niainako sy ny fahatsapako fahakiviana,” hoy izy.

Mizara ny talentany

Nanontany an’i Jax ny vondrona nisy azy raha toa ka manana talenta azony zaraina mandritra ny seho isan-karazany tao amin’ny HZM izy. Noho izany dia nandihy teo amin’ny sisin-dalana ho azy ireo izy. Rehefa nilaza taminy izy ireo fa tokony hanao fampisehoana izy, dia ny zavatra tonga tao an-tsainy voalohany dia ny hoe, “An, an, an, tsia.” Saingy nanapa-kevitra ny hizara ny talentany izy na dia natahotra aza.

Ankehitriny i Jax rehefa nahita horonan-tsary ahitana azy nanao fampisehoana tao amin’ny HZM, dia tsy voatanany ny fihomehezany. “Maotina be ny endriko tamin’ny tapany voalohany,” hoy izy. “Saingy nanomboka nifaly ny olona avy eo, ary dia nanomboka nitsiky aho.”

Ho an’ireo tanora mandalo olana, dia manome izao torohevitra izao i Jax: “Tsara kokoa ny miresaka momba izany amin’olona toy izay manafina izany tahaka ny nataoko. Fantatry ny Tompo hoe iza ianao, ary ho eo Izy ho anao. Te hanampy anao ny Tompo.”

Amin’ny ankapobeny dia tsapan’i Jax fa fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra ny fianarana dihy irlandey.

Sary
zatovovavy sy zatovolahy mandihy

Miavaka ianao

Tsy fantatrao mihitsy hoe rehefa mitodika any amin’ny Tompo ianao dia mety hahazo fitaomam-panahy hampivelatra talenta vaovao ihany koa.

Tahaka an’i Emo’onahe sy i Jax dia afaka manampy anao hamantatra ireo talenta ny Fanahy Masina. Rehefa mampivelatra ireo talenta ireo ianao ary mizara izany dia afaka mahita fanampiana ianao rehefa miezaka ny hitovy bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy.

Inona avy ireo talenta azonao hatsaraina sy zaraina?

Hamoaka printy