2023
Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy
Septembra 2023


“Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Andalana anampy andalana

Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy

Fantaro ny zavatra nampianarin’ny Apôstôly Paoly momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.

Sary
I Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty

The Resurrected Christ [Ilay Kristy efa nitsangana tamin’ny maty], nataon’i Wilson J. Ong

efa natsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy

Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa Kristy, nalevina tao am-pasana, ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo.

santatr’izay efa nodi-mandry

Ilay teny grika ampiasaina eto ho an’ny santatra dia midika hoe vokatra voalohany indrindra amin’ny taona. Io no voalohany hojinjaina, izay voalohany amin’ireo mbola ho avy.

Ilay andian-teny hoe izay efa nodi-mandry dia midika hoe “ireo izay efa maty.”

I Jesoa Kristy no voalohany nitsangana tamin’ny maty, ary aorian’ny Fitsanganany amin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra.

ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana

I Adama no tian’io horesahina eto. Ny fahalavoany dia midika fa ho faty avokoa ny olona rehetra izay ho tonga eto amin’izao tontolo izao. (Jereo ny Mosesy 4.)

ao amin’i Kristy no hahaveloman’ny olona rehetra

Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra. Midika izany fa hatsangana amin’ny maty izay rehetra niaina hatramin’izay na mbola hiaina. Hakambana indray amin’ny vatantsika ny fanahintsika, ary ho tomombana sy tsy ho mety maty ny vatantsika. (Jereo ny Almà 11:43–45.)

Hamoaka printy