2023
Mampifandray
Septembra 2023


“Mampifandray,” Ho zatovo mahery! Sept. 2023.

Mampifandray

Sisekelo Q.

15 taona, Afrique du Sud

Sary
zatovovavy

Sary nalain’i Ntebaleng Twala

Izaho dia mivavaka tsy tapaka ho an’ny fahombiazana sy ny fahasambaran’ny fianakaviako. Saingy mbola tsy mizotra araka ny nantenaiko ny zavatra sasany. Nanomboka nanontany tena aho raha toa ka nihaino ny vavaka nataoko Andriamanitra. Rehefa nihombo ny fisalasalako dia lasa mahalana aho vao nivavaka. Nieritreritra aho hoe: “Nahoana aho no tokony hivavaka nefa aho tsy mahatsapa na inona na inona?”

Indray andro anefa dia tsapako fa nanana fanahiana ny amin’ Andriamanitra aho. Efa Raiko any An-danitra hatrizay Izy, ilay mpanohana ahy sy tanjako lehibe indrindra. Nanomboka nitomany aho. Nony tonga tany an-trano aho tamin’io andro io dia nandohalika nivavaka satria nahatsapa ho very ara-panahy sy ara-pihetseham-po.

Rehefa avy nivavaka aho dia nahatsapa fampiononana sy hafanana ary fitiavana. Fantatro fa niaraka tamiko Izy. Fantatro fa hitan’ny Ray any An-danitra ireo olana atrehantsika ary henony ny fitarainantsika. Nanomboka tamin’io andro io dia takatro fa manana drafitra lehibe ho an’ny fianakaviako Izy, drafitra izay mitaky ny fotoany sy ny faharetako.

Hamoaka printy